Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) durcit sa politique monétaire. Son Comité monétaire, réuni hier, a décidé de relever le taux directeur de 12% à 12,50 %. La mesure prendra effet le 5 août. L’objectif est de ramener progressivement l’inflation vers 5 % à moyen terme et de préserver aussi la stabilité […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Nomena fiofanana ireo andrimasom-pokonolona eny Itaosy sy Fiombonana, afakomaly. Nitarika ny fampiofanna azy ireo ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny andraikitry ny Andrimasom-pokonolona, ny fomba fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana ary ny fandinihana ireo faritra mena isam-pokontany mba hanatsarana ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. […]
Nitaky 15 tapitrisa Ar : Zaza 12 taona nalain’ny zaodahiny an-keriny
Novonoin’ny zaodahiny ny zazalahy 12 taona, tao Belobaka, Tsiroanomandidy, afakomaly. Notakian’ilay vinanto lahy 15 tapitrisa Ar ny rafozany. Nihady votry hatao sakafon’akoho ity lasibatra no tsy hita intsony. Nitady azy ny fianakaviany, nametraka fitarainana teny anivon’ny manam-pahefana. Naharay hafatra miafina tamin’ny alalan’ny finday anefa ny reniny, ny alin’io andro nahavery […]
Soavinimerina : Olona fito voasambotra
Voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ny alahady ny olona fito mianadahy niray tsikombakomba tamin’ny fikasana hanatanteraka fanafihana sy vonoan’olona tao Soavinimerina, distrikan’Avaradrano. Naneho fihetsika mampiahiahy tamin’ny olona lasibatra izy ireo. Naka sary sy nanara-maso hatrany ny fivezivezen’ilay saika horobaina. Nirahin’ny ramatoa iray voalaza ho atidoha tamin’ny fikonokononana vonoan’olona ireto manara-maso. Napetraka ny […]
Silivy 15, zandary iray voasambotra ; Amidy 400 tapitrisa Ar ny mason’ny varira iray
Nahitam-bokatra ny iraka nataon’ny mpiambina manokana ny filohan’ny Fanavaozana tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. 15 lahy sy zandary iray voasambotra. Ahina ho tompon’antoka amin’ny fakana mason’ny zaza varira. Voalaza fa amidy 400 tapitrisa Ar izany. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fisian’ny mpivarotra mason’olona varira, tany amin’ny distrikan’Ihosy sy Betroka. Manoloana izany, nanirika […]





