Auteur/autrice : Adnews

Amin’ny sehatry ny asa: Marihina ny andron’ny soro-doza

“Miara-mientana isika ho an’ny filaminana ara-tsaina sy ara-tsosialy eny amin’ny toeram-piasana”. Io ny lohahevitra ifantohan’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny soro-doza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa. Nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny minisiteran’ny Asa teny amin’ny orinasa tsy miankina, niarahana tamin’ny Cnaps sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary […]

Taom-pianarana 2025-2026: Manomboka ny fanefana ny vatsim-pianarana

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fahazoan-dalana famindram-bola handoavana ireo vatsim-pianarana sivy volana miaraka amin’ny fampitaovana ho an’ireo oniversite enina sy IST telo ary ny oniversite manakaiky vahoaka. Efa namoaka ny tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny doctorant amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony […]

Parkour : Malagasy 5 hanao Mondial

Hatao any Fran­tsa, ny 12 hatramin’ny 17 mey izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Par­kour. Handray anjara faninefany i Madagasikara amin’ity, ka hanana solontena 5 mianadahy (4 lahy sy 1 vavy). Anatin’ ny fanomanana izany tanteraka ireo atleta malagasy amin’izao. Ho fanohanana sy hahafahana ma­nampy ireto solontena malagasy […]

« Penthatlon Moderne » : Mikasa hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena

“Vina ny handeha …!”. Nambaran-dRandriamalala Nathalie, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Penthatlon moderne, fa manana fikasana ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro ny federasionina. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fandefasana atleta malagasy dimy, roa vavy sy telo lahy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Hongrie, ny 25- 29 jona ho avy […]