Auteur/autrice : Adnews

Judo- Grand Slam d’Abu Dhabi : Laharana faha-7, Rasoanaivo Laura

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana “Grand Slam d’Abu Dhabi”, taranja Judo. Laharana faha-7 ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, izay nifaninana teo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg. Nahazo fandresena i Laura tamin’ny ady voalohany natrehany, nano­loana ilay teratany Libianina , i Chayeb Aqulina ary niatrika ny […]

Baolina Kitra-« Grand Match de Defi »: Hanatevina an’ireo mpilaravinahitra i Ando Pro

Afaka iray volana eo, izany hoe, ny 28 desambra ho avy izao, ao amin’ny kianja Bari­kadimy Toamasina, hisy ny lalao baolina kitra goavana, “Grand Match de Defi”, izay hihaonan’ny Disciples FC Va­kinankaratra amin’ireo mpi­lalao milaravinahitra any ive­lany, hohatevenin’ireo Barea Chan. Fantatra ny omaly teo, fa ho avy hanatevina ny eki­pan’ireo […]

DAKA AN-JORONY: Aza mitampi-maso amin’ny marina

Mandeha…tsy mandeha. Nalaza io teny io tamin’ny herinandro lasa. Niharan’izany, ny atleta ao amin’ny taranja karate sy atle­tisma. Mifandrirotra eo ny mpitantana sy ny atleta ary ireo mpika­rakara. Ilay taranja fototra aloha no tena nahoraka. Niditra an-tsehatra avokoa ny rehetra. Tsy vitan-dresaka hifamaliana mahatsara fihavanana ilay izy fa mifanenjana ka […]

Atletisma – Raharaha Ralisy : Nametraka fitoriana ny Federasionina

Efa tonga any amin’ny birao misahana ny kolikoly “Bianco” ny raharaha momba an-dRalisy, vehivavy malagasy atleta. Efa noraisina am-bava teny ny Federasionina malagasy FMA. Taorian’io, nametraka fitoriana ny rafitra federaly misahana ny atletisma. Na dia efa niravina aza ny resaka mahakasika an-dRalisy, vehivavy malagasy atleta, izay niatrika ny « Meeting […]

FANTINA sy FINTINA

Efa misokatra ny fanadihadiana tamin’ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary tamin’ireny hetsika an-dalambe ireny, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny zandary, ny Jly Mamelison Mbina Nonos. Niatrika ny famindram-pibaikoana teo anivon’ny vondron-kerin’ny zandarimaria sy ny kaomandin’ny fari-piadidiana ny tenany, ny zoma teo. Hiroso amin’ny sivana amin’ireo dosien’ireo kandidà ho lehiben’ny faritra ny eo anivon’ny […]