Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Nitrangana haintrano tetsy Ankazomanga Atsimo, afakomaly atoandro. Levona sy kilan’ny afo tanteraka, nandritra izany, ny trano sy ny fananana rehetra tao amin’ireo tokantrano lasibatra. Tsy fantatra mazava ny antony nahataonga ny afo. Manoloana ny voina ma­hazo ny fianakaviana lasibatra, manao antso avo amin’ ny malala-tanana izy ireo. Tovolahy roa samy […]

Nikasa hamaky banky: Mpiasa ny iray tamin’ireo telo voarohirohy

Lehilahy miisa telo notanana vonjimaika any am-ponja, ny 25 novambra teo, taorian’ny fampanoavana, noho ny fi­kasana hamaky banky tao Analavory. Nikononkonona hanao famakiana ny toeram-piasany ny mpiasa iray tao anatin’io banky io, ny 17 no­vambra lasa teo. Olona roa hafa niray tsikombakomba ta­miny nadritra izany. Naharaka ny teti-dratsin’ilay mpiasa anefa […]

Ambositra II: Olona roa maty nilatsaham-potaka

Niara-namoy ny ainy ny olona miisa roa nilatsaham-potaka tao amin’ny tanànan’i Tsimitono, kaominina ambanivohitra Ambositra II, afakomaly. Tokantrano miisa roa niaraka lasibatra tamin’io loza io. Olona miisa dimy naratra ka voa mafy ny roa. Tsy tana ny ain’ny lehilahy sy vehivavy iray. Nifamonjena ary nentina teny anivon’ny hopitaly CHRR Ralalaonirina, […]

Tao anatin’ny telo volana, teto Antananarivo : Mahatratra 12 ny lozam-pifamoivoizana nahafaty olona

Mitombo ny fandikan-dalàna ataon’ny mpampiasa lalana sy ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana sy nandratrana olona. Mahatratra 172 ny fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo, tao anatin’ny telo volana. 12 tamin’ireo namoizana aina avokoa. 172 ny fitambaran’ny lo­zam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo, nanomboka ny volana septambra hatramin’ity volana novambra ity. Manodi­di­na ny 12 ny tranga […]