Auteur/autrice : Adnews

Kolonely Randrianirina Michaël: « Maika ny fanovana ny toe-tsaina »

Miandry ny fikaonandoha tarihin’ny FFKM ny fametrahana ny fototra hiorenan’ny Repoblika vaovao, hoy ny Filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Mialoha izay anefa, mila fanavaozana maika ny mahakasika ny toe-tsaina sy ny toe-panahy. Nitafa tamin’ny mpanao gazety halina ny filo­han’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randria­­ni­rina Michael. Namafisiny ta­min’izany ny fe-potoana, […]

Harena an-kibon’ny tany: Antoky ny fanarenana ara-toekarena ireo tetikasa vaventy

Miantoka ny 30% ny fa­non­dranana entana any ivelany ny fitrandrahana vaventy. Ma­nome ny 5% ny Harin­karena faobe (PIB). Nanome toky ny filohan’ny Fanava­ozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­dri­anirina Michaël, raha niha­ona tamin’ny Von­dron’ny ori­nasa eto Madaga­sikara (Gem), ny 11 novambra teo, fa hametraka tontolo madio amin’ny fandraharahana eto amin­tsika, manodidina […]

Fandraharahana : Hatsangana ny politika momba ny indostria

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitra apetraky ny fanjakana ny Politika hampandrosoana ny orinasa, fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanampiana ny Malagasy mpandraharaha. «Hamolavola politika ho fampiroboroboana ny orinasa ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hapetraka ihany koa ny Tahirim-pirenena entina […]

Kabary: Feno 62 taona ny Fi.Mpi.Ma

16 novambra 1963 – 16 novambra 2025. Feno 62 taona ka­troka rahampitso ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho fanamarihana izany ny « Takalo dinika amorom-patana » hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Havoria, Anosy. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, hamelabelatra ny lohahevitra: « Ny soatoavina malagasy […]