Auteur/autrice : Adnews

Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa : « Zava-dehibe ny soro-doza », hoy ny ESIA

Nikarakara dinidinika arahina adihevitra mahakasika ny fahasalamana sy ny soro-doza amin’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ny Ivontoerana misahana ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, Espace sanitaire interentreprise d’Antananarivo (ESIA), ny faran’ny herinandro teo, teny Antsahabe. Andrai­kitra voalohany ho an’ny ESIA izany ary tsy mijanona ho dinika fotsiny fa hisy […]

Iray volan’ny alzheimer: Nofaranana tamin’ny fitiliana

Nikarakara fitiliana maimaimpoana ho an’ireo zokiolona mpikambana ao amin’ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma) ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro mody, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hisoroka ny aretina samihafa (diabeta, fiakaran’ny tosidra, fahaverezan’ny fitadidiana…) sy ny fanentanana hanatsarana ny toe-piainan’ny zokiolona sy ny fianakaviany. Mbola ny faran’ny herinandro teo […]

Secam – Miantso ny fitondrana handray andraikitra : “Misy misandoka ny asan’ny sekoly mampianatra mamily fiara”

Nanao antso ho an’ny fitondrana sy ny prestataire misahana ny fanomezana ny permis biometrique ny fikambanan’ny ivontoerana fampianarana mamily fiarakodia manerana ny Nosy. Olana roa momba ny fahelan’ny fanomezana ilay permis biometrique sy ny fisandohana ny asan’ny autoécole no fototry ny antso. Manao antso amin’ny fitondram-panjakana ny fikambanan’ny ivon­­toerana fampianarana […]

TARATRY ny KANTO

Ho fanandratana sy ho fitandroana ny fomba amam-panao malagasy, izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina,  notanterahina tao amin’ny fokontany Ankasina, kaominina Pont Sofia, distrikan’i Mandritsara, ny Fanompoam-be doany Ankasina Fagnanimena. Naharitra telo andro ny hetsika ary mifarana anio 5 oktobra. Nahitana solontena sy mpandray anjara […]

Ampasamanantongotra : Efa nosokajiana ho vakoka malagasy

Nivaly ny fangatahan’ny vahoaka tao Miarinarivo. Vita soamantsara ny fanajariana ny vakoka Ampasamanan­togotra tany an-toerana, ka notokanana ny sabotsy lasa teo. Tsiahivina fa tamin’ny 10 jolay 2026 no nidina ifotony ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary tamin’izany no nanaovan’ny vahoaka ao Miarinarivo ny fangatahana hanajariana ny […]