Auteur/autrice : Adnews

Alinirina Enica: mahavokatra be ny mangahazo atao compost

“Mpisitraka ny tetikasa “Vatsin’ankohonana” efa hatramin’ny taona 2024 aho, renim-pianakaviana mamelona zaza telo. Mamboly sy miompy no tena asako”, hoy i Alinirina Enica. Tany aloha, voly saritaka ny fomba fambolena ny mangahazo, zara raha misy vokatra. Nampianarina azy ny fomba fambolena “Basket compost” ka tsy mampino ny vokatra tamin’ny mangahazo […]

Fitaterana ana habakabaka: hiverina tsy ho ela ny Air Madagascar

Efa mikarakara ny fiverenany ho amin’ny marika Air Madagascar ny orinasa Mada­gascar Airlines. Vinavinaina ho tafapetraka manodidina ny faran’ny volana oktobra ny fiovana raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado, ny faran’ny herinandro teo. Efa efa-bolana nitantanana ny orinasany mantsy ny tenany ka nilaza fa mandroso ny dingan’ny […]

Zavamaneno sy feo mafy: mahavoasazy rehefa manelingelina ny fiarahamonina

Mampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa ahazoana sazy ny fanelingelenana ny mpiray vodirindrina amin’ny feo mivoaka ao amin’ny tokantrano iray. Araka ny andininy faha-78 ao amin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, ireo mponina amin’ny toeram-ponenana sy ny miankina aminy dia tsy maintsy mandray fepetra mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny […]

Tetikasa Vatsin’ankohonana- Vohipeno: misongadina ny fiakaran’ny fari-piainan’ ny mpisitraka

Porofo mivaingana amin’ny fikirizana te-hiala anaty fahantrana lalina ny ezaka ataon’ireo ankohonana misitraka ny tetikasa Vatsin’ankohonana ao amin’ny distrikan’i Vohipeno. Tetikasan’ny fanjakana malagasy, arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny Fid, ny tetikasa Vatsin’ankohonana. Misongadina ny vokatry ny fiezahan’ireo ankohonana ta­ny amin’ny kaominina Vohida­va, fokontany […]

Famokarana sy fanodinana: mampiseho ny tanjany i Madagasikara

Nifarana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny efatr’andro ny andiany faha-8 amin’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny famokarana (FIA) sy ny andiany faha-2 amin’ny « Festival international de la gastronomie » (FIG). Voaporofo fa manana ny tanjany amin’ny famokarana sy fanodinana i Madagasikara. Ambohipihaonan’ny mpan­dra­haraha, ny mpamokatra, ny mpanodina ary […]