Auteur/autrice : Adnews

Rugby « XXL Top 20 » : Hatao rahampitso ny famaranana

Hotanterahina rahampi­tso, amin’ny 12 ora atoandro, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny famerenana ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 20», Federaly II. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny Rosa Club de l’Imerina Antohoma­dinika sy ny Rugby Club des Soldats Anosibe RCSA. Samy nilaza ny andaniny sy […]

Mialoha ny ampahavalon-dalana : Miisa 7 ireo mpanazatra nametra-pialana

Efa fomba mahazatra any amin’ny tany mandroso ny fametraham-pialan’ireo mpanazatra. Anton’izany ny tsy fahombiazan’ny ekipa. Hatreto, miisa 7 ireo niala amin’ny andraikitra nosahaniny ka tsy hitantana intsony ny ekipam-pirenena. Tsy miandry esorina fa aorian’ny faharesen’ny ekipa, avy hatrany dia mametraka ny taratasy fialany any amin’ny federasionina misy azy ireo ny […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina ny 2 novambra ho avy izao, any Frantsa, ny « Journée Pays ». Hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite malagasy sy frantsay izy io. Oniversitem-panjakana valo ka hatramin’ny 10 no handray anjara ary hisy ny fihaonana matihanina 15 hatramin’ny 20 isan’andro. Hisy se­hatra fisoratana anarana hapetraky ny masoivoho […]

Fiarovana ara-pahasalamana: Nankatoavina ny drafitra fanatanterahana

Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa nasionaly fanamarinana ireo antontan-taratasy stratejika sy ara-pampiharana momba ny fiomanana sy ny famaliana ny hamehana ara-pahasalamana. Eo koa ny ady amin’ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (Ram) ary ny fanamafisana ny fomba fiasa «One Health» eto Mada­ga­sikara. Entina hanamarinana amin’ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy novolavolaina […]

Fahadiovan’Antananarivo : Mihatra ny sazy voalazan’ny CMH

Nanao fampitandremana ny fiadidiana ny tanànan’Anta­nanarivo amin’ny hampiharana ireo sazy voalaza ao anaty Code municipal d’hygiène, CMH. Tao aorian’ny fanadiovana faobe sy fanentanana, ho avy ny kaominina hampihatra ireo sazy voalaza ao. Anisany ny fandoavana ny sazy 50 000 Ar ary famerenana eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana nolotoina. […]