Fanatajahantena

Karate : Nosokafana omaly ny seminera ho an’ny “cadres”

Nosokafana omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny seminera natokana ho an’ny “cadres”, ahitana mpanazatra, mpitsara ary mpitantan-draharaha eo anivon’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Omaly vao nanomboka nisoratra anarana ireo hiatrika ny seminera ka tsy mbola fantatra ny isan’izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasionina, Rate­fi­nanahary Emile. Tanjona ny hahazoana “cadres qualifiés”, […]

Gymnastique Rythmique : Nahazo fitaovana ireo klioba

Nahazo fitaovana avy amin’ny Federasionina malagasin’ny gymnastique, ireo klioba vao avy niatrika “Master class”, ny 16 avrily lasa teo. Tsy mitsahatra ny mampiroborobo ny taranja ny eo anivon’ny Federasi­onina malagasin’ny Gymnas­tique. Ho fampirisihana sy fanohanana ireo klioba sy ny atleta ao aminy, nisy ny fanomezana fitaovana ho azy ireo avy […]

Pureplay Football League : Hiady ny tapakila ny Mama FC sy ny CFFA

Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro faha-13 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny Kaonferansy Atsimo, ho toy ny famaranana kely mihitsy ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Mama FC sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fihaonana izay hotanterahina, rahampitso, etsy amin’ny Kianja Imeritsiatosika. […]

Rugby – Federal 2 : Adin’ny samy kartie avokoa ny manasa-dalana

Hanamarika ny fiafaran’ity herinandro ity, ny ankatoky ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby sokajy Federal 2. Hifanandrina ny fileovana sangany indrindra. FTAT Anosibe hifampitana amin’ny Rosa Club de l’Imerina ary ny RCSA Anosibe hifanandrina amin’ny CRAI Ambalavao Isotry. Hangotraka ny kopaka, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka eo […]