Fanatajahantena

Handball – IHF Trophy: Miatrika fampivondronana ny Akio

Taorian’ny fahavitan’ny fi­faninanam-pirenena sokajy zandriny “cadet” sy “junior” lahy sy vavy, taranja handball, ny zoma 10 avrily lasa teo, niditra amin’ny fampivondronana avy hatrany ireo ankizilahy voafantina ho anaty Akion’i Madagasikara. Hano­mana ny fifaninanana hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra faha-7. Nanomboka ny sabotsy 11 avrily lasa teo izany, ary haharitra […]

Tsipy kanetibe – Mada 2026 : Hatao any Antsirabe ny fifaninanana

Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’olon-telo miaraka no hisantaran’ny fe­deration sport boule malagasy (FSBM), ny fifaninanana ho an’ny taom-pilalaovana 2026. Hotanterahina any Antsirabe izany, manomboka ny zoma 17 ka hatramin’ny alahady 19 avrily ho avy izao. Olon-telo miaraka no hatao amin’izany ka takina amin’ireo mpifaninana rehetra ny tsy maintsy […]

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa ny alahady lasa teo, teny Andoha­tapenaka ny antsapaka ho an’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondaka “Federal 2”, taranja rugby. RCSA Anosibe hidona amin’ny CRAI Ambalavao Isotry ary Rosa hifanandrina amin’ny FTAT Anosibe. Fihao­nana, hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hotanterahina ny alahady […]

«Ligue des champions» : Mety hilalao i Barcola ho an’ny PSG, anio

Hotanterahina amin’ity anio ity ny lalao ampahefa-dalana miverina, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Ho fantatra eo izany, ny ekipa roa voalohany tafita, amin’ny manasa-dalana. Hisantatra izany, ny fihaonan’ny Paris ST Germain sy ny Liverpool. Hampiantrano an-dry zareo parizianina amin’ity, ny anglisy. Lalao […]