Asa fikarohana fanoitra ho an’ny fampandrosoana no tarigetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Andriamaniraka Jaona Harilala, nandritra ny fandraisany ny andraikiny. Fomba ahafahana mampahafantatra ireo asa sy voka-pikarohana ny fanaovana ny fihaonambe ho an’ny fikarohana na ny “Forum de la recherche”. […]
Fiaraha-monina
Ho an’ny mpiasam-panjakana : mbola mandray «prise en charge» ny Institut médical de Madagascar
Sahiran-tsaina ireo tokony hanao fitiliana eny amin’ny IPMadagascar fa miato aloha ny fandraisana ny fiahiana ho an’ny fitiliana rehetra raha mpiasam-panjakana amperinasa na misotro ronono ilay olona. Mbola mandray ny “prise en charge” kosa ny IMM Niparitaka ny feo, tato ho ato, teny amin’ny tambajotra serasera, fa tsy mandray «prise […]
INDRAY MIJERY
Nahazo boky torolalana ho an’ny taranja kajy, kilasy T2, ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Ihosy. Tanjona ny hanatsarana ny fampianarana io taranja io sy hofampitana izany amin’ny mpianatra. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanamorana fanatanterahana tetikasa (UFP) no niandraikitra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa PAEB nanaovana izany. Hotanterahina ny zoma […]
Fandalovan’ny rivodoza : 339 miliara Ar ny hanarenana ny fotodrafitrasa
Mahatratra 339 miliara Ar ny vola ilaina ho fanarenana ny simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny rotsakorana be farany teo. Tombana nataon’ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka rehetra no nahazoana ny sora-bola amin’ny asa samihafa tsy maintsy hatao, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier, teny Andrainarivo, […]
Firenena israelianina : nanome sakafo ho an’ny tokantrano 400
Na miatrika olana goavana aza ny firenena arabo nanomboka ny volana oktobra lasa teo hatramin’izao, tsy nanadino ny traboina any amin’ny faritra avaratra atsinanana vokatry ny rivodoza farany teo izy ireo. Nanatitra fanampiana misy vary, voamaina ary menaka ho an’ny tokantrano 400 (misy olona 2 000) ny filohan’ny Chambre de commerce […]