Fidinana teny an-kianja nanatona ny olona marefo no nifantohan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tao anatin’ny 100 andro. Hampahaleo tena ireo marefo no tanjona. Nanao tombana ny 100 andro voalohany niasany ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Nisongadina ny zava-bita ary mbola betsaka ireo asa miandry izay hiompana hatrany amin’ny […]
Fiaraha-monina
Mpivarotra Fasankarana : ilaina ny fampiasana karatra biometrika
Nanao hetsika fanairana ny fikambanan’ny mpivarotra etsy amin’ny Fasankarana, omaly. Mitaky ny hanohizana ny fampiasana ny karatra biometrika eny anivon’ny tsena izy ireo. Midika ho fihemorana amin’ny fandrosoana misy ny fanafoanan’ny PDS izany, raha ny fanambaran’izy ireo. «Taorian’ny naoty fanafoanana izay nataon’ny PDS an’Antananarivo, lasa iharan’ny fandrahonana sy tsindrihazolena ireo […]
INDRAY MIJERY
Tapaka nandritra ny filankevitry ny filohan’ny oniversite, ny 15 febroary teo, fa havondrona amin’ny renivohi-paritany avokoa ireo mpanala fanadinana bakalorea tsy miankina ary hatokana amin’ny efitranom-panadinana iray. Hopitaly madio sy milamina. Io no tarigetran’ ny mpiasan’ny fahasalamana ka nanatanteraka fanadiovana faobe izy ireo hanolorana tontolo ara-pahasalamana ho an’ireo mpisitraka izany. […]
Mesupres : hatao anaty filaminana ny bakalorea
Mba tsy hisian’ny lesoka toy ny tamin’ny taon-dasa, amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana bakalorea amin’ity taona ity, nisy ny atrikasa niarahan’ireo herivelona rehetra manana andraikitra amin’izany. Nampahafantarina nandritra izany ny andraikitry ny tsirairay, mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana, izay voarakitra ao anaty rindran-kevitra, « Manuel de procédure relatif à l’organisation et […]
Famarinana olona : mijoro ny filankevitry ny manam-pahaizana
Ezaka fiaraha-miasa iray mikendry ny hiadiana amin’ny fanararaotana ara-nofo sy fitrandrahana mamoafady amin’ny internet (OCSEA) no nametrahana ny filankevitry ny manam-pahaizana. Tafiditra ao anatin’ny Drafitrasa hampitsaharana ny famarinana olona maneran-tany izany. Nampiantso ny fivoriana voalohan’ity filankevitry ny manam-pahaizana ity ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina sy ny […]