Ilaina ny manavao ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana toy ny rivodoza, hampihenana ny voka-dratsy amin’ny olona sy ny fihariany ary ny fotodrafitrasa samihafa. Taorian’ny faritra hafa, anjaran’ny faritra Boeny ny fanatontosana atrikasa fanavaozana ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana (PCR), notarihin’ny Prefen’i Mahajanga sy ny talen’ny Cervo, Razafimandimby John Herimiandry. Notronin’ireo […]
Fiaraha-monina
Fitiavam-bady hafahafa : 12 taona nanambadiana jiolahy i Soa
31 taona i R.L na i Soa vadin’i Rolà, jiolahy raindahiny, anisan’ny nampitondra faisana an’Ankazobe. 12 taona nivadiana sy nanafenana am-badiny izy. Mbola ifampitadiavana kosa ilay rangahy. Mbola ifampitadiavana i Rolà na Randrianantenaina Rolland, raim-pianakaviana , 28 taona. Manambady, tokantrano imaso, manan-janaka enina. Anisan’ ny jiolahy raindahiny, ifampitadiavana any Vonizongo […]
Vatsim-pianarana : mpianatra 20 hiofana any Maroc, mandritra ny roa taona
Lany teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny volana oktobra teo, ny fiantohana ny saran-dalana sy ny fanomanana ny fahatongavan’ireo mpianatra 20 mianadahy sangany nahazo vatsim-pianarana ho any Maroc. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Office de la formation professionnelle et de […]
Anosy – Analakely: henjana ny fitohanana…
Efa nanomboka ny herinandro lasa teo ary mbola hitohy amin’ity herinandro mialoha ny Krismasy ity ny fitohanana lavareny manodidina an’Anosy, Behoririka sy Analakely. Lasa lalan-tokana sisa avy any Analakely midina ho any Behoririka fa feno olona sy mpivarotra ny arabe ka sahirana ny mpamily fiarakodia. Miezaka mandamina ihany ireo mpitandro […]
Dr Ratsitratrinihafa José : miatrika fety anaty fitandremana ireo olona diabetika
Mitondra torohevitra ho an’ireo diabetika amin’ny fomba fiaina miatrika fety ny dokotera Ratsitratrinihafa José, ao amin’ny Amadia. Miaina sy misakafo toy ny olona rehetra ny diabetika fa tsy tokony ho tapaka ny fanafody, hoy ny dokotera Ratsitratrinihafa José. Tohizana ny fanatanjahantena, lanjalanjaina ny sakafo ary avela haka aina ny vatana, […]





