Anisan’ny firenena mandefa sary mamoafady betsaka indrindra maneran-tany ny eto amintsika. Mitombo ny trangana herisetra sy fanararaotana ara-nofo mihatra amin’ny ankizy eto Madagasikara. Noho ny tsy fahaizana mampiasa internet, raha ny fanadihadiana nataon’ny Ecpat France. Mahatratra hatramin’ny 80 000 000 ny sary mamoafady miparitaka maneran-tany. 79 000 kosa ny sary […]
Fiaraha-monina
ONG MADE : hametraka sekolin’ny ray aman-dreny
Nosoniavina tetsy amin’ny birao fiasan’ny Fitaleavana misahana ny fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena (DEMC) Ambatomena ny fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny ONG Maison des enfants (MADE), ny herinandro lasa teo. Ny talen’ny DEMC sy ny solontenan’ny ONG MADE no nanatanteraka izany. Tanjon’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta ny hametraka sekolin’ny ray aman-dreny (EDP) eo […]
Centre la bonté Andraisoro : nanamarika ny Noelin’ny zokiolona
Amin’ny Malagasy, ao an-trano ihany no karakaraina ny zokiolona, ray aman-dreny, satria izay ilay valim-babena. Misy anefa ireo mila fikarakarana manokana amin’ny fahasalamana sy ny lafiny hafa. Efa manana ivontoerana mamaly ny filàna ny eto amintsika. Nanamarika sahady ny Noely ny toerana fandraisana zokiolona, Centre la bonté Andraisoro, ny faran’ny […]
Filohan’ny International Liberal : “Aoka mba ho ao an-damosin’ny filoha isika vahoaka”
Anisan’ireo delegasiona hanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, anio, etsy Mahamasina ny avy amin’ny International Liberal, tarihin’ny filohany, i Hakima El Haité. Notsiahiviny fa ara-pomba demokratika iny fifidianana filoham-pirenena teto amintsika iny. “Mendrika hanan-jo hiaina am-pilaminana sy ho amin’ny fampandrosoana amin’izay ny vahoaka malagasy. Miantso ny rehetra izahay mba ho […]
Nahavita ny andraikiny teto Madagasikara: nanohana ny BNGRC ny mpitantana ny PAM
Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny lanonana fisaorana sy fanaovam-beloma ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana, momba ny sakafo (PAM) eto Madagasikara, Pasqualina Di Sirio, izay niasa teto an-toerana nandritra ny roa taona. Naneho ny fankasitrahany ny fanohanan’ny PAM ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny loza sy ny […]





