Indraimbava

Mba ho lalao madio

  Somary mangingina hafahafa izany indray aloha ny eny an-dapa tato ho ato. Asa! Variana amin’ny fitetezam-paritra angamba? Iaraha-mahalala fa mihazakazaka tokoa ny mpanolotsaina ambony midina eny anivon’ny vahoaka ifotony. Anisan’ny mendrika ny hisitraka izany ny Malagasy any ambany ravinkazo. Ny Filoham-panjakana moa manohy ny fandraisan’olona. Mifanindran-dalana amin’izay anefa, miseholany […]

Fomba ratsy

  Mahalasa saina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Toa ny teo ihany no fomba amam-panao hoentina mitondra ilay politika eto amin’ny tanàna. Mbola mifanenjikenjika sy mifamalifaty eny foana. Mitohy ny manenji-dresy sy ny tsindrio fa lavo. Ilay fanovana tadiavina, hisian’ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina toa mbola atao anjorom-bala. Ampanjakaina ny “tour”-nay […]

Fanovana… ifankahazoana

  Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vaho­aka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy ihany koa no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Tokony hisy fiantrai­kany amin’ny fiainany andavanandro mandavantaona izany. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Lanja miakatra! Araka izany, mahalala izay mahazo […]

Tsy moramora fa maromaro  

Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no malaza amin’izao? Amin’izay tenenina sy atao io. Hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany ny hoe fifanatonana, fifampiresahana, fifanarahana… Fanovana ilaina koa izay. Mila amolahan-tena, ifampitaizana, ampitoerina… Tsy efa lasa ny zavatra taloha? Na efa tsy lasa koa fa tsy nahombiazana, tsy nifampitokisana, nanotrika alahelo anaty… […]

Tany misy fanjakana

  Ny ankizy, hono, no tia tsapa fatana, ny lehibe no tia tonotono. Hanao ahoana ihany ny amin’ny fandaminana sy filaminana eny ifotony ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fisian’ny hetsika etsy sy eroa amin’ny fanalana na fanoloana ben’ny Tanàna na lehiben’ny Fokontany. Manjary misy fifanaovana ankolafiny […]