Indraimbava

Tonon-taona izao

  Taona 2026, taona vaovao: be dia be ny andrasana sy andrandraina amin’izany? Na eo amin’ny fiainan’ny tena, na eo amin’ny fiainam-pirenena… Amin’ny tonon-taona toy izao, saika mahazatra sy mandeha ho azy mandrakariva ny fifampirarian-tsoa: ho taom-panambinana sy taon-jina anie, hitondra soa… Raha ny marina, tsy ny taona na ny […]

Miandry ny gasy

Hivalona tanteraka anio ny taona 2025. Taona izay nise­hoan’ny fahagagana tanteraka raha ho an’ny Mala­gasy. Nahitana izany ny tontolon’ny politika. Iza tokoa no nanampo fa noraofin’ity taona ity ny fahefan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tena tsy nampino mihitsy ny zava-niseho tanatin’ny fotoana fohy. Nitsimbadika […]

Foano ilay “Facebook”!

Tena aleo mihitsy angamba hakatona any ity “facebook-facebook” ity eto Madagasikara. Mankarary an-doha ny mahita ny vaovao miely isan’andro. Tena tsy misy raha manjary sy mba fijery miabo. Tena kilalao maloto, andro aman’alina. Manginy fotsiny ny fahavetavetana ara-panahy maha olona. Toa fifamotehana sy fifanimbana an-kitsirano no bobaka. Raha hofaizina sy […]

Zava-dehibe

Tsy be resaka fa miasa. Izany izao governemanta izao? Efa ho tapitra ny roa volana. Izay ny fanamby. Mby aiza? Ny amin’izay hetaheta sy fitakian’ny vahoaka nahatongavana amin’izao dingana ho amin’ny fanavaozana izao. Eo, ohatra, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano, ny tsy fisian’asa… Niitatra izany ka tonga amin’ny sehatry ny […]

Efa samy seriny avokoa

Mipetraka tsikelikely amin’ny toerany ireo olona lazaina fa tompon’ny tolona. Misy ny mpamatsy vola, misy ny tompon-kevitra izay nisongona ireo milaza fa Gen Z. Mandeha tsara aloha ny fizaran-tseza sy fanovana olona. Ny fanovan-drafitra sisa andrasana. Lojika rahateo raha ny olona aloha no apetraka. Iza tokoa no hiandraikitra ny fanovan-drafitra […]