Indraimbava

Hevitra ampiadiana… hilaminana

  Saika fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana, indrindra rehefa misy ny fanahiana izany na efa mby amin’izany ny toe-draharaha misy sy iainana. Toy izao… Fomba fiteny ihany izany, fa tena misy ny mikendry sy mahita ary mahazo tombontsoa manokana amin’ny korontana. Very tombontsoa amin’ny fisiana […]

Teti-panorona

  Maty paika ny zava-drehetra, fa ny vahoaka no mora lalaovina? Asa mety ho marina sa ho diso izay fanontaniana mahakasika ny fivoaran’ny raharaha politika, ankehitriny, izay? Raha ny zava-nitranga, omaly, aloha dia misy trangan-javatra maromaro ilana fanadihadiana lalina. Toa misy sokajin-kery maromaro izany any anatin’ny mpidina an-dalambe sy ny […]

Tsy kivarivary izy ity!

  Mbola tsy hita be ihany aloha ny ho fiafaran’ilay hetsiky ny mpidina an-dalambe. Tsy mampino ny zava-mitranga eto an-drenivohitra. Raha mitorajofo ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra any amin’ny toerana misy fihetsiketsehana, toa milamina be tsy misy na inona inona amin’ny sakeli-tanàna hafa. Dia misosasosa ny fiainana andavanandro. Eo […]

Ny isavorovoroan-kilantoana

  Aorian’ny savorovoro, tsy tokony hisy filantoana na filaminana amin’izay? Tsy azo iainana fa famonoan-tena ny korontan-dava mandavantaona. Izay tsy miady olom-bodo, fa ny to fo mamosavy. Mila lantoina sy tony izao ny fihetseham-po tsy voafehy, na hatezerana, na lonilony… ? Eny hatramin’ny fanararaotana amin’ny fanaovana herisetra, fanimban-javatra, fandrobana, barofo… […]

Ny isavorovoroana hilantoana 

  Mikorontana ny tanàna, tsy azo lavina izany. Miha mitombo ny olona mamoy ny ainy. Mahita faisana ny mpandraharaha, na vaventy na madinika. Mitady hanao fanjakan’i baroa ny vahoaka sasantsasany. Faly handroba sy  hamotika ny hafa. Misy tena tsy misaina an-kitsirano fa faly mifampisintona midina tsotra izao. Mampiteny ny moana […]