Efa hita taratra ny fivoarana eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao. Miova endrika ny tanàna. Efa mba tazatazana tsikelikely ny fitovitovizana amin’ny firenena any ivelany ireny. Mipoitra miandalana ny fandrosoana amin’ny alalan’ny famitana fotodrafitsara. Vita izay ny ampahany voalohany amin’ny teleferika. Hotokanana rahafakampitso ny lalambe migodana. Aiza koa ro hahita? Tsy […]
Indraimbava
Masina ny aina
Somary nangingina ny mahakasika ilay resaka Ambohimalaza tato ho ato. Nivadika ho raharaham-panjakana rahateo izany tranga nahafatesana olona 33 izany. Ampy nanaovan’ny fianakaviana fisaonana rahateo ny fampidirana vonjimaika am-ponja ilay tompom-pety sy ny reniny. Niampy ireo mpiray tsikombakomba mivantana na ankolaka. Mainka nampiakatra ny moralin’izy ireo ny fandraisana manokana ny […]
Misondro-boninahitra
Miakatra ambony dia ambony ny toerana misy an’i Madagasikara raha ny momba ny diplaomasia no resahina. Tsy mahasakana ny fisandratana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fisian’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, mamendrofendro sy manaratsy ny tanindrazana iombonana. Ireo natao hanirina no mampivandravandra. Ireo heverina ho mirehareha fa Malagasy no mpanaratsy. Tsy […]
Mila asa mivaingana
Raha miady sy mifanasa vangy toy inona aza, ohatra, ny ao an-tokantrano, milamina sy mangina ho azy raha vao misy mandondona ao am-baravarana. Sao fahavalo iombonana na mitondra soa iraisana. Miray hina ho azy izay miady raha vao misy fahavalo iombonana? Na soa miditra; eny, na hoe mety iadiana sy […]
Tsy bodo na bado…
Mbola misy ny hoe manao ady sisika tsy hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Madagasikara? Eny, na hita izao aza fa efa ao anatin’izany tanteraka izao. Roso ka tsy mimpody koa… Tsy mendrika ny handray an’izany fihaonana an-tampony izany, hono, i Madagasikara, raha ny zava-misy sy iainana. Tsy izay […]




