Indraimbava

Mandresy hatrany 

  Mandalo sedra mafimafy ny tontolo politika anatiny eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny savorovoron’ny fiaramanidina sy ny kolikoly ao ambadik’izany. Marina tokoa ny voalaza fa tsy nisy nidiran’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ireny. Kanefa tsy tongatonga ho azy na ny vanim-potoana nampipoaka ny raharaha na ny votoatin-tserasera naely. Mainka moa […]

Mila firaisankina

Raha tsy misy ny sampona, efa milona tanteraka ao anatin’ny fihaonamben’ny Sadc ny Malagasy. Raha ny tatitra farany dia tsy ho latsaky ny folo ireo filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana ho avy eto Madaga­sikara. Izay tsy ho avy efa nanamafy ny fandefasana solontena. Tsy hisy ho latsaka ny firenena 16 mpikambana […]

Masa-bary mainto kitoza

  Andro sisa no isaina! Miandry ny fandraisan’i Mada­gasikara ny fitantanana voalohany ny vondrona Sadc ny Malagasy. Handray izany amin’ny fomba ofisialy ny filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Maharitra herintaona ny fotoam-pitantanany. Midika izany fa ho renivohitry ny firenena 16 aty atsimon’ny Afrika isika. Ho ambohi-pihao­nana ara-bakiteny satria hateti-piavy ny fivoriana […]

Jamban’ny vola

Raha mandinika ny zava-misy ankehitriny dia tsy am-pihambahambana no ilazana fa fositra ny fitiavam-bola diso tafahoatra. Mibaribary loatra fa matim-bola avokoa izay milaza fa mpanontsana sy mpisintona lakolosy (hono). Tsy ho an’ny tanindrazana sy taranaka velively fa ho an’ny ao am-paosiny sy ny poketrany. Mino ve isika izao fa tena […]

Tsy masina an-taniny

  Tsy mampitsanga-menatra ny toerana misy an’i Mada­gasikara amin’izao fotoana izao. Manga mihitsy ny lanitra raha resaka diplaomatika. Nanomboka omaly, ohatra, ny fivoriamben’ny mpiasa eo anivon’ny Sadc, izay notarihin’ ny sekretera mpanatanteraka. Mahazo vahana amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany ny Malagasy. Tena tsy mampitsanga-menatra ny zava-mitranga ankehitriny. Efa hanatrika ny fihaonambe eto […]