Mila manana fitadidiana be, hono, izay mandainga. Sao voafandriky ny laingany amin’ny farany raha miovaova izay lazainy. Tsy vitan’izay, raha vao mandainga indray mandeha amin’ny raharaha iray, voatery mandainga hatrany hanamarinana ny lainga na handaingana ny marina. Hafa ihany ny mandeha amin’ny fahamarinana: tsy miovaova, matoky tena… Inona no ilazana […]
Indraimbava
Masina ny aina
Mihodina izay tsy izy ny raharaha eto Madagasikara. Indray mipi-maso no namoahan’ny filohan’ny Repoblika fanapahan-kevitra hentitra maromaro. Minisitra voaendaka tamin’ny toerany, raharaha Ambohimalaza voavaha amin’ny ampahany, mpanao hosoka iraisam-pirenena voasambotra anatin’ny 24 ora. Mbola noporofoiny fa haingam-pandeha izy rehefa mandray an-tanana ny raharaha miseho. Anisan’ny manahirana rahateo amin’ny fitantanana firenena […]
Mba tsy hisy vahoaka hadino
Tsy mora ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’izao? Indrindra ny amin’ny hoe fifampitokisana… Saika isan-tsehatra sy isan’ambaratonga izay. Izay ve, ohatra, no mahatonga ny eny ifotony mampiakatra fitarainana avy hatrany any amin’ny tamponandraikitra na mpitondra ambony amin’izay maharary azy? Tsy hita be ihany ny tomponandraikitra isan-tsehatra […]
Tsy ampy fangaraharana
Nanaitra toa vara-datsaka ny vaovao tato ho ato mahakasika ny mpitondra. Teo ny mahakasika ny maha tomponandraikitry ny raharaham-panjakana azy ireo. Misy kosa ny fiainan’izy ireny manokana. Zary niteraka resabe, manaratsy endrika ilay fitondrana avokoa izany. Lasibatra manokana noho ny adalan’ny sasany ilay Filohan’ny Repoblika. Tsy vao sambany no nisy […]
Ilaina ilay fahasahiana
Anatin’ny ady saritaka indray ry valala an-karona amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra intsony hoe iza no manao inona? Na inona no ataon’iza? Misambadidaka ambony ambany ny raharaha. Ny hita sy tsapa aloha dia manaotao fahatany ny sasany. Eo ny mahakasika ilay afera manokana, mainka ny zava-doza ny fiheverana ny […]




