Dingana lehibe teo amin’ny tantarany no tafitan’ny Zandry Gasy, omaly. Notetezina tao anatin’ny ora telo ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavin’ny tarika, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Vory ireo mpankafy ny « Bagasy mazia romotra », lasa anarana nampisalorana ny mozikan-dry zalahy ireto. Nahatsapa ilay « Revina Zandry Gasy » araka ny tantaran’ilay hira […]
kolon-tsaina
« Miss Monde 2023 »: nisalotra ny vita malagasy i Antsaly Rajoelina
Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka. Na tsy nahazo laharana voalohandohany aza, tsy nitsanga-menatra i Antsaly Rajoelina, miatrika ny “Miss Monde 2023”, nitafy ny vita malagasy. Voalohany tamin’ny fifaninana “Sport Africa”. Tao anatin’ny 25 voalohany tamin’ny”head-to-head Challenge”. Mbola ao anatin’ny fifaninanana tanteraka i Antsaly Rajoelina, solontena malagasy miatrika ny “Miss Monde 2023”, […]
Ady amin’ny piraty: Kapila hosoka miisa 16 447 nodorana
Eny, mbola misy ny mpampiasa ny kapila mangirana. Mazava loatra fa mbola maro koa ny mpanao piraty, araka izany. Porofon’izany, nisy ny fandorana kapila hosoka miisa 16 447, izay nataon’ny Brigady manokana misahana ny ady amin’ny piraty na ny BAP, ny alarobia teo, teny Andohatapenaka. Kapila nogiazana nandritra ny taona […]
Redombe bagasy : hifampizara traikefa ny SGB
Hifamotoana, anio, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola ny Sehatra Bagasy (SBG). « Atrikefa bagasy », hizarana ny sanganasan’ireo mpamoron-kira hohiraina mandritra ilay fampisehoana « Redombe bagasy », hotanterahina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny 25 mey ho avy izao. Fampisehoana an-tsehatra lehibe ho an’ny tontolon’ny bagasy ny « Redombe bagasy », raha tarafina amin’ireo mpanakanto […]
Fampirantiana haikanto: maro ny hetsika manome lanja ny vehivavy
Ankoatra ireo any amin’ny sehatra hafa, mikarakara hetsika maro, entina mankalaza ny andron’ny vehivavy koa ny vehivavy mpahay kanto. Anisan’izany ny fampirantiana hosodoko sy asa soratra, izay samy vehivavy avokoa no manao azy. Miranty eny amin’ny Lapan’ny tanànan’ Analakely, nanomboka omaly hatramin’ny 10 marsa 2024, ny asa tanan’ireo vehivavy mpahay […]