kolon-tsaina

Fampisehoana « Cirque »: hisitraka ny hetsika ny eny Besarety

Hitohy anio, eny amin’ny Kianja mitafo Besarety, ny fampisehoana iarahana amin’ny Aléas Circus. Fampisehoana « Cirque » maimaimpoana ho an’ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina izy ity. Tanisa, tsingeringerina, hakingan-tanana sy ny nahafantarana ny Aléas Circus hatramin’izay no ho hita mandritra ity hetsika ity. Maimaimpoana, saingy ho an’ny mihoatra ny 14 taona ihany […]

Rindrankira bagasy: any Nairobi Kenya i Mbosa sy i Mimi

Anisan’ny tantara tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny bagasy. Raha ny kaontinantan’i Eoropa no manavanana ny mpanakanto hanehoana ny talentany hatramin’izay. Niova izany, satria, nisafidy ny atsy Afrika i Mbosa sy i Mimi. Rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro (ora any an-toerana), ao amin’ny Hekim University Riara Road, hanakoako ao Nairobi Ke­nya […]

MFF, andiany faha-18 : tontosaina any Mahajanga ny tohin’ny hetsika

Mitohy any Antsanitia, Mahajanga, nanomboka oma­ly 29 novambra 2023, ny “Madagascourt Film Festival (MFF)”, andiany faha-18. Any an-toerana no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana amin’ity hetsika ity, ny 2 desambra 2023. Anisan’ny mampiavaka ny hetsika rehefa any Mahajanga, ny “Ti Kino Gasy”. Eo ihany koa ny fandefasana sarimihetsika eny ankalamanjana. Sahala amin’ […]

F’inn zao e !?! raikitra ny « Cabaret acoustique »

Tafiditra ao anatin’ny lanonan’ny faran’ny taona. Hana­tanteraka ny «Cabaret acoustique» miaraka amin’ireo andrarezin’ny fitendrena gitara ny F’inn zao E Production. Alim-pikoranana tontosaina eny amin’ny Espace Concerto Anosi­avaratra, rahampitso 1 desambra, manomboka amin’ny 9 ora alina. Amin’ny ankapobeny, «revy glita sy kitonotono» ny endriky ny fandaharam-potoana eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny […]