kolon-tsaina

Seho iraisam-pirenena : Tonga omaly alina i La Fouine sy Gazo

Raha ny fampahafantarana natao, omaly, momba ilay seho hotontosaina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, tonga omaly alina eto Mada­gasikara i La Fouine sy Gazo. Haharitra ora telo eo ho eo ity fampisehoana hotanterahina rahampitso ity. Hialohavana «Tremplin» sy fanentanana ary fanafanana ataon’ny Dj ny fiakaran’izy ireo ny sehatra. Fantatra, omaly, […]

Fampisehoan’i Eric Manana sy Jenny : Hanampiana an’i Honorat ny vola azo

Rehefa hesorina ireo fandaniana amin’ny fikarakarana ilay seho. Fantatra, omaly, fa hanampiana an’i Honorat (Fou Hehy) izay tojo tsy fahasalamana ny vola ho azo amin’ny fampisehoana hotanterahin’i Eric Manana sy Jenny ary ny Feo Gasy ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ko­lontsaina, ny alahady 12 avrily izao. Hisy ihany koa […]

TARATRY ny KANTO

Omena sehatra ny rehetra. Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny fiantsana tononkalo ny fanomezana sehatra hisokatra ho an’ny rehetra. « Rakotr’ainga, rakitr’ ainga », na ilay antsa malalaka hotanterahina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Anosy. Entanin’ny Faribolana San­dratra manokana ireo tanora te […]

Sanganasan’i Naka R. : Hokaloin’ny Feon’Analamanga

Ny sabotsy 11 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, « hihira, hikalo, hivetso, hiritsoka, hiangaly amintsika ireo hira noforonin’i Naka Rabemanantsoa amin’ny endriny maha taranaka ny tarika ny Feon’Anala­manga », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy. Nanteriny […]