Tsy sakana ny jiro tapaka sy ny orana nisesy. Rakotra olona Antsirabe nandritra ny hefarana, nanatrika ny « Star Tour ». 120 000 mahery. Izay ny tomban’ny mpikarakara raha nanontaniana mahakasika ny isan’ireo olona nifety nandritra ny « Star Tour 2026 » teto Antsirabe. Porofo io fa mbola mitoetra hatrany […]
kolon-tsaina
Mila tolo-tanana: Mandalo tsy fahasalamana i Honorat
Araka ny vaovao nampitain’i Eric Fou Hehy, mandalo tsy fahasalamana i Honorat Herisolomahefa na i Honorat Fou Hehy. Fantatra avy amin’ io antso ho an’ny malala-tanana nataon’i Eric io fa ilana fandidiana maika any am-pitandranomasina ity anisan’ ny zoky sy andrarezin’ny hatsikana malagasy ity. Hisy « urne » hitsangana eo […]
Efitrano Clarisse Ratsifandrihamanana: Tsangambaton’ny faha-100 taonany
Andrarezin’ny soratra. Feno 100 taona i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Hisy lanonana hifandraika amin’izany vanim-potoana lehibe izany eto an-dRenivohitra. Ny alarobia 8 avrily izao, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Fotoana hitokanana ilay efitrano nampitondraina ny anarany ao amin’ity toerana ity ihany koa io. […]
Fanohanana ny famoronana : Hampiarahina ny mozika sy ny sary
Nampahafantarin’ny Alliance Française eto Antananarivo indray ny fisokafan’ny «Bourse à la création 2026». Araka ny anarany, fanohanana amin’ny famoronana zavakanto izy ity, izay misokatra amin’ny Malagasy mpanakanto. Tanjona ny hamoahana tetikasa iray mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, ka ny mozika sy ny sary no ampiarahana amin’ity. Manodidina ny lohahevitra fiarovana ny […]
Sehatra Ba gasy avrily 2026 : Hoentina an-tsehatra ny « Atrikefa toreo fahanginana »
Ahenoina lohahevitra maro ny hira ba gasy. Ao ny fitiavan’olon-droa, lahy sy vavy, hanina ilay tanàna nahabe, vohitra niandohana. Tsy vitsy kosa ireo maneho fahanginana sy toreo. Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny lohahevitra, hiompana sy hanome sehatra kokoa ireo hira ba gasy mitoreo. Na izany aza, hisy ny […]




