Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny nahasarika mpijery maro tamin’ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin’ny Reko fa tsara ny fiomanan-dry zareo. Omeny lanja ny mpijery. «Izahay hanome ny tsara indrindra avy aty aminay ho anareo foana », hoy i Fy Rasolofoniaina, andro vitsy nialoha ny fampisehoana, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Omaly, io […]
Taratra
Tondradrano: fampitandremana mavo ho an’Analamanga
Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]
Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana
Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny rotsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]
IHSM- Oniversiten’i Toliara: azo havadika ho plastika levona ny lomotra
Miroborobo ny fikarohan’ny mpianatra ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), Oniversiten’i Toliara. Anisan’ny miavaka ny fitrandrahana ny lomotra. Anisan’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ao amin’ny oniversiten’i Toliara, izay ivontoerana tokana mampianatra sy manao fikarohana momba ny ranomasina eto Madagasikara, […]
Judo – «Coupe de Mada» Mpikatroka 252 Tonga tany Toamasina
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja judo, ho an’ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Mpikatroka 252 avy amin’ny klioba 24, manerana ny ligy 6, no tonga nandray anjara nandritra ity fifaninanana ity, ka lehilahy ny 142 amin’izy ireo ary vehivavy kosa ny […]





