Taratra

Basikety-taona 2025 : Tsara ny vokatra ho an’ny Klioban’ny NBE

Klioba manomboka mametraka ny anarany eo amin’ny sehatra nasionaly ny NBE (New Basket Evolution) Analamanga. Ho an’ny taom-pikatrohana 2025, tsara ny vokatra ho azy ireo, satria tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, sokajy lehilahy, izay natao tany Arivonimamo ary tompondakan’i Madagasikara lefitra, teo amin’ny sokajy latsaky ny […]

Atletisma – Mada 2025: Atleta mendrika i Flaurentine sy i Eric Justin

Nisongadina ny atleta avy amin’ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, ny faran’ny herinandro teo. Norombahin’izy ireo avokoa ny amboara ho an’ireo atleta mendrika. Lasan’i Flaurentine ho an’ny vehivavy ary i Eric Justin, teo amin’ny lehilahy. Tontosa teny amin’ny Kianja Alarobia, ny 29 hatramin’ny 31 aogositra lasa teo, […]

Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Tafody an-tanindrazana, 128 taona aty aoriana

128 taona aty ao­rian’ny nahafatesany, tafaverina soa aman-tsara eto Ma­dagasikara, omaly, ny kabeson’ny Am­panjaka Toera. Efa nihazo tsikelikely an’i Belo Tsiribi­hina izany taorian’ny lanonana teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Fort Du­chesne. Reharehan’ny Malagasy tsivakivolo. Nijanona ary nanome voninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany mpitari-tafika roa lahy, izay rehetra […]

Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tsikeraina tsy araka ny tokony ho izy ny zava-mitranga rehetra”

“Anisan’ny mampalahelo ny fitsikerana tsy araka ny to­kony ho izy ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena. Fantatra fa izay no asan’ny mpanohitra”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly, ny amin’ ny resabe atao sy voizin’ny sasany hoe tsy tonga tamin’ny fodiamandry ny vadin’ny filoha […]

Hetsika Rohy : Mila hatsaraina ny fanabeazana olom-pirenena

“Misy fanatsarana tokony hatao koa eo amin’ny fanabeazana olom-pirenena momba ny fifidianana”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Hari­jaona, ny amin’ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana ho amin’ny fandatsaham-bato manaraka. Eo koa ny amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana amin’ny ankapobeny. Fantatry ny […]