Niaka-dapa, ny sabotsy teo , teny Iavoloha, ireo mpilalao sy atleta namiratra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tao anatin’ny roa volana. Notoloran’ny fitondram-panjakana mariboninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana ny atleta teo amin’ny taranja Sport automobile, Razanakoto Iaro Niaina. Tompondaka tany Thailand nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021 izy, izay nanova sehatra ho […]
Taratra
Tovolahy tratra tetsy Ambanidia: nanolana zazalahy, saika matin’ny fokonolona
Voasambotra teo am-panolanana zazalahikely vao dimy taona ny lehilahy iray, afakomaly, teny Ambanidia. Nanamparan’ny mponina ny hatazerany, efa naratra mafy vao navelan’izy ireo. Naolan’ny tovolahy 17 taona iray tetsy Ambanidia Volosarika, afakomaly, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, ny ankizilahikely vao 5 taona monja. Tany amin’ny fivoahan’ny maloton’ ilay zaza […]
Tetikasa « Zara Mira » : Vita ny famindram-pitantanana
Natao omaly ny famindram-pitantanana momba ny tetikasa « Zara Mira » teo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Unicef. Manampy ny fanjakana malagasy amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo sokajin’olona marefo ny tetikasa. Anisan’izany ny zaza sy ny ankizy, ny reny bevohoka ary ireo olona manana fahasembanana. Iasana amin’ny tetikasa ireo faritra […]
Tetikasa Mamiratra: Ankizy 41 nahazo tohana ara-tsaina
Hofaranana eny Ivandry, anio, ny tetikasa « Mamiratra ». Nifarimbonan’ny fikambanana Cœur des bénévoles sy ny fikambanana Manampy mahatony ary ny fikamban’ny mpianatra momba ny psycho-social eny Ankatso (AE-PSI) ity hetsika ity. Anampiana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana miisa 41, anaty salan-taona 10 hatramin’ny 14 taona, mianatra ao amin’ny fikambanana Manampy […]
TARATRY ny KANTO
“Ndao hiaraka”, seho fiderana iarahan’i Njakatiana amin-dry Ny Mpitory sy ny Feo Mamatonalina. Hotontosaina ny alahady 21 desambra izao izy ity, eny amin’ny FJKM Andavamamba Kristy Velona, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Seho hafa mihitsy noho ny mahazatra ity karakarain’ny antoko mpihira Akon’i Kristy Velona ity, satria tsy mbola […]





