Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao ny FIA, Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, eny amin’ny CCI Ivato. Hiaraka tontosaina amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny nahandro, andiany voalohany. Izany hoe, hiaraka ho hita eny ny lafiny famokarana, ny fanodinam-bokatra, hatrany […]

« Vitrine de Vakinankaratra »: Homena vahana ny tanora mpandraharaha

Hatao ny 11, 12 ary ny 13 septambra 2025 ho avy izao, eo amin’ny Araben’ny Gara Antsirabe, ny foara «Vitrine de Vakinankaratra». Mikarakara ity andiany faha-27 ity ny Fiova Vakinankaratra, ary anisan’ny mpanohana mivantana ny orinasa Yas. Lohahevitra no­­raisina ny hoe «Ny fitomboan’ ny orinasa» na «La crois­­san­ce des entreprises». […]

Tetikasa ASAM: Hampiroboroboina ny famokarana anaty rano

Hiara-kiasa ny Fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Ma­tsiatra Ambony sy ny APDRA, ao anatin’ny tetikasa Asam 4F. Manatanteraka azy ny APDRA sy ny GIZ, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà ara-bola. Natao sonia ny 2 septambra teo, tany Fianarantsoa, ny fifanarahana. Haharitra herintaona izany ary hisy ny tombana atao amin’ny fivoaran’ny fandrosoan’ny asa sy […]

GEF6-AMP : Faritra arovana an-dranomasina vaovao 3 mitotaly 1,5 tapitrisa ha

Mitombo hatrany ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP) arovana sy tantanina eto Madagasikara. Ho tratra tsy ho ela ny tanjona 2,4 tapitrisa ha natao fanamby tany Sydney. Dingana lehibe! Natao sonia, omaly, ny fifanarahana ho fanitarana sy fananganana Faritra an-dranomasina (AMP) eto Madaga­si­kara, mitotaly 1,5 tapitrisa he­kitara, ao anatin’ny tetikasa GEF6-AMP. […]

TARATRY ny KANTO

Lany sahady ny tapakilan’ny AmbondronA! Nanao fanambarana ny tarika, omaly, fa efa tsy misy amidy intsony ny tapakila rehetra, ho an’ny seho faharoa ny alahady 21 septambra. Mbola misy vitsivitsy kosa ho an’ny seho voalohany ny zoma 19 septambra, saingy hisy fandaminana vaovao amin’ny fanjifana izany. Mahakasika ny seho indroa […]