Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo, ny vovonana Miradia. Sehatra iray entina mampihary haingana ny Malagasy manoloana ny loza ateraky ny toetr’andro. Miradia ! Araka ny fanazavana azo omaly tamin’ireo mpikarakara tetsy amin’ny Panorama, sehatra iray ahitana fiaraha-miasa maro izy ity. Mampivondrona ireo mpisehatra rehetra ary miara-misalahy […]
Taratra
Bakalorea : Hanome fampianarana maimaimpoana ny CUA
Hanome fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana Bakalorea ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma 11 jolay izao izany. Atao ao amin’ny Tranompokonolona Isotry. Tanjona ny hanampiana ireo ankizy hiatrika fanadinana. Hanatsarana ny fahaizana sy ny taham-pahafaham-panadinana ho an’ny ankizy sy tanora eto Antananarivo izany. «Tsy hatao […]
Nosy malagasy : Niaro ny tontolo iainana ny Frantsay
Nitondra ho amin’ny lalana fiarovana ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina ny ankolafy frantsay. Eo koa ny fikarohana siantifika, ny toekarena manga (ao anatin’izany ny fizahantany sy ny jono), ny fiarovana ny ranomasina ary ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Io no anisan’ny voatsiahin’ny fanambarana iombonan’ny vaomiera frantsay-malagasy momba ireo […]
Ady amin’ny kolikoly: Nahazo traikefa ny zandary sy ny polisy
Notanterahina teny amin’ny Toby Ratsimandrava, ny 2 jolay teo, ny fikaonandoha niarahan’ny Parlemantera Zimbaboanina sy ny sampandraharaha avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena miady amin’ny kolikoly. Niatrika ity fihaonana ity ny lehiben’ny sampana miady amin’ny kolikoly (Apanac) any Zimbabwe, Goromonzi Chikwaka. Teo koa ny solontenan’ny parlemanta malagasy, ny depiote voafidy […]
Fitakiana ireo Nosy manodidina : Mitaky ny fanohanan’ny Sadc sy ny Rosianina ny Seces
Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Seces, omaly. Fitakiana sy famerenana manontolo ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay, nandritra ny 130 taona mahery ny lohatenin’ny fanambarana . “Miantso ary mitaky fifanohanana diplaomatika avy amin’ireo firenena sy vondrona mpiara-miombon’antoka amintsika izahay. Anisan’izany ny ONU sy ny rantsa-mangaikany, ny COI, ny Sadc […]




