Hisy toby fitahirizan-drano hatsangana avy amin’ny reniranon’Ikopa sy ivontoerana fanadiovana ary famokarana rano eny Amoronankona. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Jirama Water III”, famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny fanjakana malagasy. Mandroso ny fanitarana ho lalana efatra (4 voies) ny eo amin’ny fihodinana Tsarasaotra hatreny Ivato, […]
Taratra
Harena an-kibon’ny tany: Ampiasana niomerika ny fahazoan-dalana
Feno 25 taona ny Biraon’ny kadasitry ny harena an-kibon’ ny tany eto Madagasikara (BCMM). Natao nandritra ny roa andro, ny 19 sy 20 jona teo, ny fankalazana, teny amin’ny Ivonterana Mining Business Center (MBC) Ivato. Nambaran’ ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier Herindrainy, fa « anisan’ny zava-baovao ny fampiasana […]
Rallye des Industries: Tanora miantsehatra hampandroso ny indostria
Hanandratra ny fahaiza-manaon’ny tanora sy hampahafantatra ny vokatry ny indostria malagasy ny « Rallye des industries ». Kendrena ny hampivelatra ny traikefa sy hamolavolana toe-tsaina tia mandraharaha hanatsarana ny famokarana sy ny orinasa, indrindra hitiavan’ny daholobe ny vokatry ny indostria malagasy. Nanomboka amin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Auditorium Havoaria Anosy, ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nifindra klioba ao amin’ny Standard de Liège, Belzika, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Marco Ilaimaharitra. Roa taona eo ny fifanarahan’ny klioba roa tonta. Tsiahivina fa i Marco Ilaimaharitra, tsy niala tao amin’ny fampivondronan’ny Barea, noho ny tsy fandoavana ny tambin-karama. Anisan’ny hifanandrina amin’ny fifaninanana “Combat Avenir 5”, taranja kick-boxing, hatao […]
Baolina kitra – « Yas Coupe de Madagascar » : Hanokatra izany ny Ajesaia sy ny As Fanalamanga
Hotontosaina, anio sy rahampitso, eny By-Pass, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar », taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia Bongolava sy ny As Fanalamanga, avy ao Moramanga. Hatao androany amin’ny 2 ora, eny an-toerana, ity fihaonana ity. Tsara ny mampahatsiahy […]




