Taratra

Basikety-N1B : Fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1B lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo tafakatra hiatrika izany, taorian’ny lalao ampahefa-dalana, omaly. Fifanina­nana tontosaina any Fianarantsoa. Ho an’ny sokajy vehivavy, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ekipan’ny JCBA Analamanga rehefa nanilika ny ekipan’ny Pintade […]

Rugby – “Africa Men’s Sevens”: «Hanome ny fahaizako rehetra aho», hoy i Hugo Manolo

Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra ny mpankafy rugby. Hanomboka anio ny fiadiana ny “Africa Men’s Sevens” sady hiadiana ny tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7. Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Lambour­don­nais Club ao Mau­rice, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny […]

Finoana silamo: Nangata-pitahiana ho an’ny firenena

Mbola ao anatin’ny volana masina tanteraka ny ao amin’ny Fikambanana silamo malagasy. Izany indrindra no nanaovan’izy ireo ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny firenena, tao amin’ny moskea Palestine, 67 Ha. Ho fampisehoana ny fananan’ny Malagasy andraikitra amin’ny fampivoarana sy filaminana eto amin’ny firenena ka hitarika ny vahoaka malagasy rehetra mba hijery […]

Tetikasa Tafa : Hahamatihanina ny asa ho an’ny tanora

Tanora manodidina ny 700 000 no miditra amin’ny sehatry ny asa isan-taona. Matetika tsy nandalo fiofanana sahaza ary tsy manana vinavinan’asa akory ny ankamaroany. Mikasa ny hanova izany zava-misy izany ny tetikasa Tafa. Vatsian’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa sy ny asa ara-kolontsaina eo anivon’ny masoivoho frantsay ny fanatanterahana izany. Ny […]

Alasora: 20 taona ny polisy kaominaly

Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny polisy kaominaly eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Alasora, distrika Avaradrano, omaly. Nomarihina tamin’ny lanonana ara-miaramila teny amin’ny Kianja maitso izany. 20 isa ireo polisy kaominaly miasa eny an-toerana. “Tsy ampy sy tsy tena mahasahana ny filan’ny vahoaka izy ireo satria efa mananika ny 70 000 […]