Hentitra ny fitakian’ny fikambanan’ny zanaka Antesaka monina eto Antananarivo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo afakomaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Manome 48ora, hatramin’ ny omaly, ho an’ny fanjakana izy ireo hamoahana ny kandidà avy any Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre, voafonja vonjimaika eny Antanimora. “Haka ny fepetra rehetra izahay rehefa tapitra io fe-potoana io”, […]
Taratra
Filohan’ny HCDDED: “Zava-dehibe ny efa firosoana amin’ny demokrasia”
Nambaran’ny filohan’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo, fa tsy mbola tonga lafatra isika amin’ny demokrasia. “Tsy azo atao ny mitompo teny fantatra fa efa tonga amin’ny tanjona isika. Efa zava-dehibe anefa ny firosoana tsikelikely sy miandalana amin’izany dingana ho any amin’ny […]
Tatitry ny Pac ho an’ny taona 2023: maro ireo olon-tsotra nitory depiote sy minisitra
Nanao tatitra ny zava-bitany nandritra ny taona 2023 ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha. Nampahatsiahy indray ny asany izy ireo ary nitanisa ireo fitoriana voaray. Miisa 316 ireo dosie nokirakirain’ny Pac ka nahavoarohirohy olona 1 346 izany. Miisa 1 110 ireo nahazo fahafahana vonjimaika […]
Ramampy Zénaïde : “Hay ny mifidy na sahirana aza”
“Na eo aza ny fahasahiranantsika vahoaka, haintsika ny mifidy depiote izay tena hikarakara antsika marina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena teo aloha, 2002-2009, Ramampy Zénaïde, momba ny fifidianana depiote izay efa misy fizarana fanomezana amin’izao. Izay heno amin’ny haino aman-jery: toy ny vazaha mody miady fotsiny izy […]
SMM : “Tsy mbola meloka ireo kandidà nosamborina”
“Ny olona efa voadidin’ny didim-pitsarana raikitra ho voasazy no atao hoe olo-meloka. Mbola tsy meloka ilay olona raha mbola tsy izay didim-pitsarana raikitra izay no mivoaka”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, ny amin’ny fisian’ny kandidà depiote nosamborina ary enjehina ara-pitsarana amin’izao. Ny dikan’izay, rehefa […]




