Taratra

Tetikasa Padap : niakatra maherin’ny 5 t/ha ny voka-bary

Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fambolena, ahitana sahandriaka sy lemaka, ny tetikasa Padap. Misy ny fanarenana na fananganana fotodrafitrasa, ny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fitandroana ny maha olona. Mifarana ny Tetikasa ho an’ny fambolena ma­haritra mikajy ny tontolo voarindra (Padap). Faritra dimy ahitana sahandriaka sy lemaka no […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanamarihana ny Volan’ny miralenta ataon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Nentanina momba izany ary ny ady amin’ny herisetra sy ny tombontsoa azo amin’ny fandrindram-piterahana ireo ray aman-dreny mpiofana ao amin’ny foiben-dry masera ao Manazary, Miarinarivo Itasy. Miara-miasa ny oniversiten’i Fianarantsoa sy ny oniversite frantsay, vatsian’ny AFD vola. Nosokafana […]

ankizy manana fahasembanana : mpitondra teny i Gilardy Totozandry

Mpitondra tenin’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny fahasamihafana (manana fahasembanana na toe-tena varira), nanomboka omaly, i Gilardy Totozandry. Tohanan’ny Unicef izy amin’izany andraikitra izany. Manana toe-tena varira i Gilardy ary nahatsapa fa niteraka fanilikilihan’ny fiarahamonina izany. Nanomboka ny fahenin-taonany izy no nijoro hiady amin’ny fanilikilihana ny olona samihafa niaraka […]

Loto ateraky ny plastika: nitady vahaolana ny manam-pahaizana

Fampihaonana ireo manam-pahaizana mba hifanakalo hevitra sy hiara-hitady vahaolana amin’ny ady amin’ny fandotoana ateraky ny plastika no nataon’ny masoivoho amerikanina, ho fanamarihana ny Andron’ny tany, ny fiandohan’ny herinandro teo. Noresahina koa ny momba ny fitantanana ny akora simika sy ny fako, ny rariny sy ny hitsiny momba ny tontolo iainana […]

Dr Célestin Traoré : mitondra 48 dolara ny fanokanana vola 1 dolara ho an’ny vaksiny 

Nitondra fivoarana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanaovana vaksiny hisorohana ny fahafatesana. Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny taorian’ny fiparitahan’ny aretina Covid, ka mila ezaka ny fanentanana ny olona sy ny tsy fahatapahan’ny famatsiana eny amin’ny tobim-pahasalamana. 50 taona amin’ity taona ity ny fandaharanasa fanaovam-baksiny maneran-tany, izay nitondra fivoarana tsara ho an’ny fahasalamam-bahoaka. […]