Matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatotsipihina, afakomaly. Nahazo fampitam-baovao ny zandary niasa tao an-toerana momba ny fisian’ity jiolahy ity izay hita mihaodihaody ao an-tsena. Efa-dahy ry zalahy no mpiara-manao asa ratsy saingy tafatsoaka ka nenjehin’ny fokonolona. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary fa nisy fifanjevoana […]
Taratra
Nasitrika tao an-tanimbary : Sinoa hita faty tao anaty gony
Nolerana antsy teo amin’ny tendany ny teratany sinoa iray, monina eny Masindray. Nasitrika tao anaty gony ny razana. Nariana teny tanimbary avy eo. Nosamborina ny mpiambina tao aminy. Hatairana ny an’ny fokonolona nahita gony namoaka fofona maimbo tao anaty tanimbary iray tao Amboaromanana, fokontany Ivoara, kaominina Masindray, distrikan’Avaradrano, omaly maraina. […]
Filoha Rajoelina : «Hiantraika amin’ny vahoaka ny Fec sy ny FRD»
Natao teny Iavoloha, omaly, ny fiaraha-midinika eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) mamita iraka eto Madagasikara. Miompana amin’ny tetikasa roa lehibe ny antondian’izy ireo. Voalohany, mahakasika ny famatsiam-bola Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) ary faharoa, ny famatsiam-bola ho Fiatrehana maharitra ny vokatry ny loza voajanahary (FRD). Notsipihin’ny filoha, […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamboarina ny fantson-drano vaky eny Ambohimiandra, manomboka ny alakamisy 25 avrily amin’ny 8 ora alina hatramin’ny zoma 26 avrily amin’ny 5 ora maraina. Ho tapaka, noho izany, ny famatsian-drano amin’ny faritra manodidina an’Andrononobe, Ambohitrarahaba, Ambatobe,Analamahitsy, Ivandry, Ambatomainty, Manjakaray, Ambodivona,… Mitohy ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, […]
Sendikan’ny Indostria : maika ny fanarenana ny lalana RN2
Nanao ny fivoriambeny, omaly, ny mpikambana ao Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Nilaza ny filohany, Rasamimanana Tiana, fa maromaro ny lohahevitra nodinihina. Araka ny efa noresahan’izy ireo sy ny Filoham-pirenena, anisan’ny tena laharam-pahamehana ny fanarenana haingana ny lalam-pirenena fahroa (RN2), ankoatra ny lafiny herinaratra. Satria midangana ny masonkaren’ny mpandraharaha noho […]




