« Ny hafatr’ireo tavoahangy plastika ». Boky vaovao navoakan’ny edisiona Tsipika izy ity, nosoratan-dRasolondraibe Ando Nantenina na i Voniary, ary noravahan-dRakotoarivelo Vonona Zo. Hisy ny fampahafantarana izany arahina rango-pohy ny boky rahampitso alarobia 24 avrily, manomboka amin’ny 10 ora etsy amin’ny Tranomboky Tsipika Ambohijatovo. « Ariela sy Arilay ». Bokin’ankizy nosoratan’ Andrianavalontseheno Haritiana, izay […]
Taratra
Hosodoko, sary, sokitra… : manan-talenta saingy tsy ampy fiofanana ireo ankizy
Maro ny liana. Tsy tapaka olona mihitsy ny toerana natokana ho an’ny hosodoko, sary, sokitra, sns, nandritra ny “Tokotany be” tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny faran’ny herinandro teo. Tsapa nandritra izany fa tena maro ireo ankizy manan-talenta ary te hitrandraka bebe kokoa izany. Nisy ireo fampiofanana kely […]
Tetikasa Kanto manabe : maneho ny asa tanany ireo mpianatry ny sekolim-panjakana
Maro ny manana talenta sy fahaiza-manao eny anivon’ireny sekoly ireny, saingy tsy misy ny sehatra ahafahan’izy ireo maneho izany. Ny mpiangaly sy mpankafy sary aloha no nahazo sehatra mandritra ity tetikasa Kanto manabe ity. Mbola hiitatra kosa ny tetikasa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely, hatramin’ny 4 […]
Adim-piainana: mihamaro ny olona voan’ny rarintsaina, indrindra amin’ny sehatry ny asa
Betsaka ny olona mahatsapa sy mahafantatra fa voan’ny rarintsaina amin’izao fotoana izao. Noho ny olana maro mianjady aminy, na eo anivon’ny tokantrano, any am-pianarana, ny any amin’ny toeram-piasana… Mety ho voan’ny rarintsaina avokoa ny olon-drehetra, zaza hatramin’ny olon-dehibe. Maro ny antony mahatonga ny tsindry ho an’ny tanora. Mety ho olana […]
FANTINA sy FINTINA
Manohy ny fomba ratsiny amin’ny fanerena ny mpiasam-panjakana ny mpitondra, araka ny nambaran’ny Solidarité syndicale, ny herinandro teo. “Tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izany ka hatao ny fomba rehetra hampandaniana ny kandidàn’ny laoranjy. Raikitra ny ramatahora sy ny famindran-toerana”, hoy izy ireo. “Mijanona ho fampanantenana poakaty fotsiny ihany ireo […]




