Taratra

VHT : “Aoka tsy ho matin-kanin-kely isika vahoaka”

“Fanorenana ifotony an’i Madagasikara ny an’ny VHT. Satria mitotongana tanteraka ny raharaham-pirenena sy ny fanaovana politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razana­koto Norbert, amin’ny fisian’ny fanambatambazana vahoaka amin’ny fizarazarana fanomezana na fanampiana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao. Ny fifampiresahana no […]

Manadio dia manokatra!

  Nanaitra ny mpanara-baovao ny tsindrom-paingotra nataon’ny tompom-pahefana tamin’ny governora iray ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona nomeny fitokisana sy tsy azo nohozongozonina mihitsy. Firifiry ny fitarainana nataon’ ny mponina tany an-toerana sy ny mpanao politika saingy, tsy nandairan’izany izy. Mafy rahateo ny hazondamosina niaro azy, araka ny feo niely. […]

Fifidianana depiote : ho vita mialohan’ny propagandy ny biletà tokana

Amperinasa tanteraka. Efa any Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo, ireo kojakojam-pifidianana hatonta. Manao ny ezaka rehetra ny Ceni amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana depiote. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Ceni fa efa atsy Afrika Atsimo ireo teknisianina sy ny ekipan’izy ireo. Manara-maso sy mijery akaiky ny fanontana […]

TSELATRA

Efa-dahy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana sy famarotana héroïne tao Fiofio, Mahajanga, omaly. Nidina ifotony ny polisy taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Tratra teo am-pitsindromana sady nikirakira io zava-mahadomelina mahery vaika io izy efatra mirahalahy ireo. Nambanan’ny roa lahy antsy, lehilahy iray voaroba teny amin’ny lalamby Ampefiloha, ny alahady atoandro teo. […]