Nambaran’ny Tanora miandrandra ny ho avy (TMH), Avaradrano tapany A tarihin-dRamanantenasoa Davidanirina Onjaniaina fa hanohana ny kandidàn’ny Irmar, Radafy Thierry na i Bota izy ireo amin’ny fifidianana depiote, ny 29 mey izao. “Nanohana tsy nisy fepetra ny filoha Rajoelina Andry isika nandritra ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo. Fanohizana ny […]
Taratra
Fikambanamben’ny sendikàn’ny fanabeazana : Tsy manaiky hampiasana ny minisitera ho fitaovana politika
Tsy manaiky ny fampiasana ny minisitera sy ny fitaovana ao aminy ho fitaovana politika ireo fikambanamben’ny sendikà misehatra eo amin’ny fanabeazana, araka ny fanambarana nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambohijatovo, afakomaly. Taona fahatelo ny haavon’ny fari-pahalalan’ny vahoaka malagasy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. “Antony mahatonga izany ny hanaovana fitaovana […]
Fisorohana ny fiakaran’ny rano: napetraka ny Balise limnométrique
Hotanterahina mandritra ny 10 andro ny fametrahana ny balise limnométrique ao amin’ny kaominina izay iasan’ ny WHH, anatin’ny tetikasa « Wahafa » (Welthungerhilfe Anticipation Humanitarian Action Facility). Tafiditra ao anatin’ny asa fiomanana mialoha izay iandraiketan’ny tetikasa ahafahan’ny fokonolona misoroka mialoha ny mety ho fiakaran’ny rano eny amin’ny toerana misy azy ireo ny […]
Toeram-pivoriana sy fiofanana: Notokanana, omaly, ny Tranom-biavy Toamasina
Notokanana omaly, tao amin’ny fokontany Sahavola, kaominina Fenoarivo Atsinanana ny tranom-biavy. Natokana hivoriana sy hiofanan’ny vehivavy, mba handratoana fahalalana sy hampitomboana traikefa ary hampahaleo tena azy ireo amin’ny sehatry ny asa fitadiavam-bola. Tonga nanotrona izany, tany an-toerana, ny minisitry ny Fitsarana, misolo toerana ny ministiry ny Mponina, Randriamanantenasaoa Landy Mbolatiana. […]
Masoivoho amerikanina: hisokatra ny American Center
Ivontoerana ahafahana manovo fahalalana ho an’ny tanora ny American Center. Hisokatra ato ho ato izy io, araka ny fampahafantarana nataon’ny masoivoho amerikanina. Nampahafantatra ny masoivoho amerikanina fa hisokatra tsy ho ela ny American Center. Ho afaka tsidihina mivantana izany ary ahafahana manaraka ireo fandaharanasa maro ao amin’io masoivoho io. Feno […]




