Taratra

Basikety-Analamanga : Tompondakan’ny N1B ny ASA sy Fandrefiala

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, ho an’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga,  taranja basikety. Voahosotra ho tompondaka, tamin’izany, ny ASA, teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nandavo ny Lucadro, tamin’ny isa 62 no ho 52. Tetsy ankilany, ny ekipan’ny Fandrefiala kosa no nandrombaka ny fandresena,  teo amin’ny sokajy […]

Padel : Mpanao gazety 9 nahazo fiofanana

Tsy mijanona ho mpitatitra sy mpampita vaovao fotsiny ny mpanao gazety fa miditra an-tsehatra amin’ny taranja samihafa koa. Taorian’ny tsipy kanetibe, niditra tamin’ny Padel indray izy ireo, ka nandranto fahalalana mahakasika izany ary nanao fampiharana tamin’ny alalan’ny fifaninanana teo amin’ireo samy mpiofana. Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana fahalalana ny mpanao […]

INDRAY MIJERY

Niarahaba ireo mpianatra ao amin’ny EPP Manakambahiny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy, ny alatsinainy teo. Nihaino ny fangatahan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, mpampianatra, ary talen-tsekoly ihany koa ny tenany. Endrika hosoka sy kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ka mahavoasazy, araka […]

Madagascar 3M: Mila mijoro ny kristianina

Hitondra fampianarana manokana ho an’ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny Dr Michael Reeves, izay mpandraharaha matihanina any ivelany sady filohan’ny Union school of theology. Kendrena amin’izany ireo kristianina mpandraharaha eto Madagasikara handray ny fifampizarana. Tanjona ny hahasahiana mijoro sy mitondra fampandrosoana tena izy, tsy misy fanambakana fa manana ny fijery marina […]