Taratra

Handball – «Can Juniors»: lalao miaro voninahitra sisa ny an’ny Akio

“Voninahitra sisa arovana”! Hontosaina anio, any Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny vondrona “B”, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, sokajy “Juniors”, lehilahy ity. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy Akio, toy ny lalao am-boninahitra sisa ny fihaonany amin’i Nigeria, anio, satria na mandresy aza […]

Baolina kitra: mikasa ny ho mpanazatra i Sedera

Mpilalao anisan’ny nanana ny lazany tao amin’ny klioban’ny Ajesaia, nanomboka ny taona 2003-2010, Randriam­parany Sedera Mathieu, na i Sedera. Ankehitriny, mpilaravinahitra atsy La Réunion, ary milalao ao amin’ny klioba AS Excelsior ny lehilahy. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny faran’ny herinandro teo, manana fikasana ny hanao mpanazatra ny tenany, rehefa […]

Olan’ny tsipy kanetibe: nifanazava ny FSBM sy ny UBMT

Tsy nanao resaka ambadika zary fosa ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) sy ny klioba UBMT momba ny olana iainan’ny tsipy kanetibe, ankehitriny. Nifanatrika sy nifanazava. Takin’ny UBMT sy ireo filohana klioba ary ireo Malagasy mipetraka any ivelany ny hanalana ny mpandrindra iraisam-pirenena. Manoloana ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe, […]

Vaovao tambatra

Lasibatry ny zava-misy maneran-tany i Madagasikara, antony nampiova indray ny vidin-dasantsy rehefa tsy nihetsika nandritra ny efa-bolana. Manahy sahady ny mety ho fiantraikan’izany eto Madagasikara ny mpanjifa sy ny mpampiasa fiara. Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fidiran’ny mpianatra sy ny fitomboan’ny fitohanana lavareny ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay hiantraika mivantana amin’ny toekarem-pirenena. Hampandroso […]

Internet: hanitatra ny fisitrahana niomerika

“Kits” Starlink miisa 300 miaraka amin’ny tolotra internet maimaimpoana no hatokana ho an’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny ezaka fanitarana ny fisitrahana internet sy hampihena ny elanelana ara-niomerika. Taorian’ny fametrahana internet maimaimpoana teny amin’ny Oniversitem-panjakana samihafa, mitohy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra […]