Taratra

Samy maka, tsy mifanambaka

  Tao anatin’ny 24 ora, hita taratra fa niverina ny toetra ratsin-dRamalagasy. Malaza ho mpandala fihavanana imasom-bahoaka fa mifamotika araka izay tratra ato anatiny. Mifampitsentsitra! Mitady ny fomba rehetra hakana izay azo alaina amin’ny mpiray tanindrazana. Mahakasika ny andro voalohany sy faharoa, taorian’ny filazana ny hamehana amin’ny angovo eto Madagasikara […]

TSELATRA

Notokanana omaly ny toeram-pitsaboana sy biraon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana etsy anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna. Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fanatsarana ny tolotra omena azy ireo ny antony. Notokanana ihany koa ny toeram-pivarotana fitafiana amin’ny asa sy kojakoja ho an’ireo polisim-pirenena. Nisy ny fanolorana ireo fotodrafitrasa hafa toy […]

Nihinana trondro holikoliky: Raim-pianakaviana roa tsy nahatsiaro tena

Niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo, raim-pianakaviana roa niaraka tsy nahatsiaro tena ka voatery naiditra hopitaly tao Betania, kaominina Morondava, omaly. Fiana­kaviana roa avy ao an-toerana niaraka nihinana karazana trondro atao hoe holikoliky, ny alarobia 8 avrily lasa teo. Mpanarato no nahazo ireo trondro ireo. Nampiarahana tamin’ny makamba io sakafo io. Tsy nisy […]

Ambaniala Itaosy: Vehivavy mangana hita faty

Vehivavy 33 taona nakarin’ny fokonolona tao anatin’ny rano teny amin’ny fokontany Ambaniala, kaominina Itaosy, ny alarobia 8 avrily teo, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anatin’ny rano izay tsy lavitry ny lalam-bahoaka ny olona teny amin’ny manodidina. Vehivavy nanao akanjo miloko volondavenona sy pataloa volontany io […]