Taratra

Lietna Kolonely Fils Emilio : ” Tsy miaro olon-dratsy ny zandarimaria”

Voalaza fa maty voadaroky ny zandary nandritra ny famotorana azy ny lehilahy iray, omaly. Nampiaka-peo ny fianakaviany, monina ao Marofinaritra. Nilaza ny avy amin’ny zandarimaria fa tsy miaro izay mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna izy ireo. Hanokatra fanadihadiana lalina momba ny tranga nahafaty olona tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, distrikan’Antalaha, ny kaomandin’ny […]

Seho iraisam-pirenena : Tonga omaly alina i La Fouine sy Gazo

Raha ny fampahafantarana natao, omaly, momba ilay seho hotontosaina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, tonga omaly alina eto Mada­gasikara i La Fouine sy Gazo. Haharitra ora telo eo ho eo ity fampisehoana hotanterahina rahampitso ity. Hialohavana «Tremplin» sy fanentanana ary fanafanana ataon’ny Dj ny fiakaran’izy ireo ny sehatra. Fantatra, omaly, […]

Fampisehoan’i Eric Manana sy Jenny : Hanampiana an’i Honorat ny vola azo

Rehefa hesorina ireo fandaniana amin’ny fikarakarana ilay seho. Fantatra, omaly, fa hanampiana an’i Honorat (Fou Hehy) izay tojo tsy fahasalamana ny vola ho azo amin’ny fampisehoana hotanterahin’i Eric Manana sy Jenny ary ny Feo Gasy ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ko­lontsaina, ny alahady 12 avrily izao. Hisy ihany koa […]

INDRAY MIJERY

Mandray anjara amin’ny Tsapiky festival ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, amin’ny alalan’ny oniversiten’i Toliara. Hisy «Conférences scientifiques” hanehoana ny voka-pikarohana momba ny Tsapiky sy ny maha harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana azy. Hiarahana amin’ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izany. Hanao diabe ara-kolontsaina koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Toliara […]