Taratra

Kamiao mpitatitr’entana nivadika : Mpanampy mpamily tapaka ny tapany ambany

Nifampisokirana tao anatin’ny kamiao mpitondra entana nivadika, ny lehilahy iray, omaly, teny Manjakandriana. Tery nandritra ny dona ny mpanampy mpamily ka tapaka tanteraka ny tapany ambany. Samy naratra avokoa moa izy sy ny mpamily. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nitran­ga teo […]

Fanohanana ny famoronana : Hampiarahina ny mozika sy ny sary

Nampahafantarin’ny Al­lian­ce Française eto Anta­nanarivo indray ny fisokafan’ny «Bourse à la création 2026». Araka ny anarany, fanohanana amin’ny famoronana zavakanto izy ity, izay misokatra amin’ny Malagasy mpanakanto. Tanjona ny hamoahana tetikasa iray mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, ka ny mozika sy ny sary no ampiarahana amin’ity. Manodidina ny lohahevitra fiarovana ny […]

Zo hisitraka fanabeazana : Nametrahana tranon’ny autisme ny EPP Vohibola

Nomarihina teny amin’ny EPP Vohibola Ampandrana, omaly, ny Andro maneran-tany hankalazana ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny autisme, antsoina hoe «olona hafakely», eto amintsika. Nanamarika izany ny fitokanana ny tranon’ny autisme, ahitana efitrano roa, ao anatin’ny EPP. Fandrai­sana anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho fampisitrahana ny zo hianatra ho an’ny […]

Nihaino ny hetahetan’ny mpiasa : Nitsidika ny Cnapmad ny minisitra

Nitsidika ny Ivontoerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (Cnapmad) ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Ivontoerana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, manana traikefa 42 taona, ary mamelona mpiasa manodidina ny 150 isa ny “Cnapmad”. Izy ireo izay miandraikitra ny famokarana ny fitaovana […]