Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola tazana tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny resaka mahakasika ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa na­sionaly. Marihina fa tsy maintsy miandry an’io fifaninanana io, vao fantatra ireo ekipa roa tafakatra ao amin’ny diviziona voalohany, « Pureplay Football League (PFL) ». Hotanterahina […]

Barean’i Madagasikara : Nanainga omaly ireo mpilalao avy eto an-toerana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanainga omaly talata ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara avy eto an-toerana. Efatra mirahalahy izy ireo, ahitana an’i Rado sy i Mamisoa ary i Toldo, miampy an’i Nicolas. Ankoatra azy ireo, ny mpanazatra mpanampy, i Hildecoeur. Hihazo avy hatrany an’i […]

Kung-Fu Wisa : Ligim-paritra 13 tonga nanatrika ny atrikasa nasionaly

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibeny, eny 67ha, ny atrikasa nasionaly ho an’ny kung-fu Wisa. Ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany. Fahombiazana no azo nandritra ny atrikasa na­sionaly notanterahina teto Antananarivo, ho an’ny taranja kung-fu Wisa. Filo­ha­na ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany, nahitana ny avy any Atsinanana, […]

Ambatondrazaka : Tany 1000 ha voalaza fa misy mibodo

Manao antso vonjy amin’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana isan’ambaratonga ireo vondron’ny tompon-tany any Antsihanaka. Nambaran’ireto farany, omaly, fa misy olona mibodo ny tanin’izy ireo 1000 ha any amin’ny kaominina telo, anatin’ny disitrikan’ Ambatondrazaka. Tany fambolem-bary izay novidian’ny ray aman-dreniben’izy ireo tamin’ny taona 1933. Nisy olona nokaramaina niasa ny tany tamin’izany […]

Ilaina ny fanabeazana aizana: Vehivavy 10 isan’andro maty eo am-piterahana

Loza mitatao ho an’ny firenena ny mety ho fihenan’ny tolotra momba ny fandrindram-piterahana na fiarovana ny vohoka tsy iriana. Raha ny salanisan’ny Instat farany, vehivavy 10 isan’andro maty mandritra ny fitondrana vohoka na maty eo am-piterahana. Ny 3 amin’ireo dia tovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona. Zava-maika amin’ny fahasalamam-bahoaka ny […]