Taratra

Mesupres : Nahazo fitaovana hikarakarana ny fanadinana bakalorea

Fitaovana maro azon’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy hanatomombanana ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity. Hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ihany koa izany. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony, nahazo fitaovana vaovao sady raitra ma­naraka ny fenitra takina amin’izao fotoana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikaroana ara-tsiansa […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra amin’ireo « Diaspora » any Frantsa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra, omaly. Nambarany fa namantana firenena efa potika ny tenany ka tsy ho mora ny hanarina azy. « Tsy ho vita rahampitso sy afakampitso fa mila fotoana. Efa miasa sy mitady vola izahay izao », hoy izy. Naneho […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Mamarana ny Politika ankapoben’ ny fanjakana aho izao”

“Izaho mbola mamarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fa­norenana ifotony izao. Araka ny lalàmpanorenana izay. Vo­alazan’ny lalàna koa ny fanaovana fanambaram-pananana”. Io ny fanazavan’ny Prai­mini­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny nametrahan’ny governemanta fa­nambaram-pananana teny amin’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohi­dahy, omaly. Nape­traka ny lalàna mifehy […]

Fomba ratsy

  Mahalasa saina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Toa ny teo ihany no fomba amam-panao hoentina mitondra ilay politika eto amin’ny tanàna. Mbola mifanenjikenjika sy mifamalifaty eny foana. Mitohy ny manenji-dresy sy ny tsindrio fa lavo. Ilay fanovana tadiavina, hisian’ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina toa mbola atao anjorom-bala. Ampanjakaina ny “tour”-nay […]

Vehivavy Vovonana mahitsy fijery: « Miangavy, avotsory Andriantsitohaina Claudia »

”Tsy misy idiran’Andriantsitohaina Claudia ny raharaha SMGD, mangataka ny hamotsorana azy izahay”, hoy ny Vehivavy Vovonana mahitsy fijery. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely izy ireo, omaly. Tsy afaka ny hangina ma­noloana ny toe-draha­raha. « Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izahay amin’ny maha vehivavy sy reny anay. Avo­tsory Andriantsito­haina Claudia», […]