Tonga tany Antsiranana mihitsy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’ny minisitra maromaro namaha haingana ny olana misy eo amin’ny oniversite any an-toerana. Vahaolana avy hatrany no nentina ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Nametrahana «panneau solaire» hanazava ny tanàna, mamatsy herinaratra 20 MW. Hatao haingana […]
Taratra
MVola: Nisy ny fanavaozan-drafitra
Maro ny vaovao tsy marina niely momba ny MVola tanaty tambajotra sosialy, tato ho ato. Manome fanazavana ny orinasa, manitsy azy ireny. Vokatry ny fanavaozana ny rafitra noho ny olana ara-teknika no antony tsy nahafahana niditra tamin’ireo tolotra MVola tamin’iny herinandro lasa teo iny. Tsy misy mihitsy ny fifandraisan’izany amin’ny […]
Madagascar Airlines: Hapetraka ireo paikadim-panarenana ny kaompania
Tafiditra ao anatin’ny fanarenana apetraky ny fitondram-panjakana ny hamerina amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka. Laharam-pahamehana ny hitondram-bahaolana ny kaompania Madagascar Airlines. Haverina amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara, hojerena ny olana mahakasika ny kaompania Madagascar Airlines. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra sy ny solontenan’ny orinasa Madagascar […]
Angovo azo havaozina: Hamatsy 2MW ny RIA ny toby ao Ambohidrano
Hihena ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Hamatsy ny famokarana herinaratra eo anivon’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ ny masoandro ao Ambohidrano, Sabotsy Namehana. Maherin’ny 2MW ny angovo azo avy amin’ ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) ao Ambohidrano Atsinanana, ao amin’ny kaominina […]
TARATRY ny KANTO
Niakatra lenta ambonimbony kokoa ilay tantara tsangana noravahina hira, mitantara an’i Alladin, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Niavaka ny fandrindran’i Betia azy, ka nampiaina toy ny tena izy anatin’ny tantara koa ny hira sy soradihy nentin’i Ando Malalatiana. Efa matihanina ireo mpisehatra, ary tsy nataon’ny Okalou ambanin-javatra ny […]




