Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fandraharahana sy ny fampivelarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 17 sy 18 avrily, ny «Salon de la créativité Voatra», andiany faha-12. Hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA) ho fanandratana ny vokatra […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Omaly maraina, tany amin’ny 431 km atsimo andrefan’i Faux Cap-Tsihombe, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy Gezani. 90 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km isan’ora indraindray. Nikisaka nianatsimo somary atsimo andrefana manalavitra ny morontsiraka izy ka nahafaka 50 km isan’ora. Tsy manambana ny Nosy intsony, araka […]
Toamasina- Fampianarana teknika: Hiverina ny fianarana ho an’ny kilasy famaranana
Nihazo avy hatrany an’i Toamasina, hitsidika ireo ivontoeram-panofanana, LTP sy CFP, voakasiky ny rivodoza Gezani ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio. Araka ny tombana, simba avokoa ny 80% ny fotodrafitrasa. Ho fanohanana ireo traboina, nitondra vary sy voamaina ho an’ny mpampiofana, mpandraharaha ary vacataires ny […]
Fikambanan’ny: Terak’Imady Ampiakarina eto Antananarivo ny savika
Nampahafantatra ny hetsika hanandratana ny kolontsaina savika na tolon’omby ny fikambanan’ny Terak’Imady tamin’ity herinandro ity, izay tarihin’ny filohany Andriamahenintsoa Tolojanahary. Hatao eny Mahatsinjo, kaominina Alasora izany, ny 22 marsa izao. Hanafarana mpanao savika efa tena zatra avy any Amoron’i Mania mihitsy amin’io. Omby efa fanaovana savika ihany koa no hotolomina […]
Fahasalamana : Ho avy ny vaksiny miaro amin’ny Mpox
Efa tsindrindaona amin’ny fahatongavan’ny vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox ny maro. Nampanantena ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ho avy izany ato ho ato. Nilaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa efa ho tonga eto amintsika, alohan’ny faran’ity volana febroary ity, ny vaksiny hisorohana ny aretina Mpox. Araka ny toromariky ny manam-pahaizana dia laharam-pahamehana […]





