Taratra

Horonantsarimihetsika 

  Mihazakazaka kely indray aloha ny toe-draharaha politika tao anatin’ny 48 ora. Nipetraka ny governemanta izay voalaza hiasa sy hanome vokatra anatin’ny roa volana! Mba marina ve izany ry zareo? Koa na ny fametrahana olona sy fanovana ny firafitry ny minisitera aza ve ho vita ao anatin’izany. Sanatrian’ny vava ho […]

Birao maharitry ny Antenimiera : Naongana avokoa ny depiote Irmar

Nivadika ny rasa, teny Tsimbazaza. Voaongana avokoa ny depiote avy amin’ny Irmar, nandrafitra ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Lasan’ny Firaisankina ny maro an’isa. Notanterahina omaly, ny fifidianana ireo handrafitra ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimie­ram­pirenena. Nilamina ihany iza­ny na teo aza ny olan’ny fahamaroan’ireo kandidà. Eo koa ny fiovan’ireo depiote […]

TSELATRA

Nodimandry ny alin’ny talata lasa teo, teny amin’ny hopitaly Soavinandriana, ny Colonel Ranaivoarison Théodule Edith. Efa narary efa ela ary notsaboina teny an-toerana ny tenany izao tsy tana izao ny ainy. Efa nitazona andraikitra amin’ny maha kaomandin’ny Groupement de la Gendarmerie Atsinanana. Efa nitazona andraikitra CIRGN Toamasina ihany koa ny […]

4×4 nifatratra tamin’ny hazo: Olona iray namoy ny ainy, roa hafa naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahasivy, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahatelony tolakandro. Nitranga teo anelanelan’ny tanàna Ampihamy sy Antseva, kao­minin’Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, ny loza. Fiara tsy mataho-dalana iray nitondra olona telo lahy no niharan-doza teo amin’ny lalana mahitsy sy nalalaka. Nandeha mafy ny […]

Asan-dahalo: Omby 200 mahery very tany amin’ny distrikan’Antsalova

Nitrangana fanafihana sy halatra omby tany amin’ny fokontany Akaja, kaominina ambanivohitra Antsiandro, disitrikan’­ Antsalova, Bemaraha Atsinanana, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Lasan’ny dahalo, nandritra izany, ny omby manodidina ny 200 isa, izay ombin’ny mpikambana ao amin’ny Mada omby. Niainga ny alahady lasa teo avy any Antsalova, hihazo ny tsenan’i Tsiroanomandidy […]