Taratra

Seranam-piaramanidina : Mitaky 80 miliara Ar amin’ny orinasa Ravinala ny Adema

Manaitra ny Filoham-panjakana sy ny governemanta vaovao ny mpiasan’ny orinasa Adema. Mitaky ny handoavan’ny orinasa Ravinala Airports S.A, ny volany mitentina 16 000 euros. Haba ho an’ny fitantanana tsy voaloa nanomboka ny taona 2020 io vola io. Namoaka fanambarana ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Adema, omaly 20 oktobra. Nampahatsiahiviny fa miisa 57 […]

Editions Jeunes Malgaches: Nivoaka ireo boky mirakitra ny tantara

Boky roa mirakitra ny tantaran’i Madagasikara, hanampy sy hanamafy ireo efa nisy. Efa nivoaka izao ny « Mada­ga­scar sous la 1ère Répu­blique de 1960 à 1972 », nangonin-dRakotoniaina Beari­soa. Manohy izany ny « Mada­gascar sous la 2e Republique de 1975 à 1992 » notontosain’i Lahiniriko Denis Alexandre. Samy novokarin’ny Editions jeunes malgaches avokoa izy ireto. […]

“Mondial du pain” andiany faha-10: Sambany hisy Malagasy solontena hifaninana

Mamiratra hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maromaro izay fifaninanana hainahandro nandraisan’ny Malagasy anjara izay, fa voalohany kosa amin’ny “Mondial du pain”. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy. Ta­zana nandritra ny lanonam-panokafana sy fampahafantarana ireo firenena hifaninana mandritra ny “Mondial du pain”, omaly, izany, tany Nan­tes, France. Firenena 20 eo no manana solontena […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hisy fankatoavan’ny birao maharitra ny fisavana ny trano fonenany, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena teo aloha, Andriamananoro Augustin, teny Ampitatafika, omaly. Nisy ny fisavana ny trano fonenany noho ny hoe fanahiana fikononkononana fanakorontanana. Aoka ny fanaovana hetraketraka sy valifaty politika. Tsy manaraka ny zava-misy eto Madagasikara ny […]