Taratra

Miroso tsimoramora

  Mandeha ny mandeha! Miroso tsikelikely amin’ny fandaminana ny fitondram-panjakana. Efatra andro taorian’ny fianianana, nivoaka ny Praiminisitra. Midika izany fa hiasa ny fitondram-panjakana. Mametraka ekipa vonona sy sahy ary heverina fa ho vanona.  Hiasa sy hanompo tanindrazana tokoa anie. Amin’izao fotoana izao, samy miandry ny rehetra. Inona ilay fanovana anaty […]

Fitantanana ny Governemanta : Voatendry ho praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama

Notanterahina, omaly teny Iavoloha ny fanendrena ny praiminisitra hitantana ny governemantana anatin’ny Fiadidiana ny fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no voatendry hisahana izany. Notanterahina omaly hariva, teny amin’ny La­pam-panjakana Iavo­loha, ny fanendrena ny praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta, anatin’ny Fa­na­vaozana ny Repoblika an’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no nanankinan’ny filoham-panjakana, […]

TSELATRA

Zazavavy 7 taona namoy ny ainy vokatry ny haintrano tao Ambohitsilaozana, distrikan’Am­baton­drazaka, afakomaly. Mpivarotra lasantsy ny reniben’io zaza io. Nandraraka lasantsy ilay ramatoa kinanjo nahazo afo tampoka. Nirehitra tanteraka ny trano ka maty ny zafikeliny. Hatry ny omaly, mbola voatsindr’ilay kamiaobe ny vatan’ireo olona telo voalaza ho namoy ny ainy, taorian’ny […]

Fahafatesana mampiahiahy: Mpitaom-biriky roa niara-namoy ny ainy

Mpifankatia niaraka na­moy­ ny ainy tao amin’ny fokon­tany Tsarafirasaina, kaominina Ambano, distrikan’­ Antsirabe II, omaly. Niakatra tao ambonin’ny biriky vao hodoroana ireo olona roa ireo. Olona hiasa maraina no nahatsikaritra ny fisian’ny olo­na efa nitsirara tao ambonin’ny biriky. Nampandre ny ma­nodidina avy hatrany io nanatri-maso io. Niantso koa ny tomponandraikitry […]

Zava-mahadomelina: Roa lahy nahatrarana rongony 14 kg

Nandositra tao anatin’ny haizina ireo roa lahy nitondra rongony tamin’ny gony rehefa nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambanin’ny Hopitaly, kaominina Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny 18 oktobra teo. Nitatitra ny entana tao anatin’ny gony ireo roa lahy. Nanararaotra ny alina izy ireo ka nihevitra tsy hisy hahatsikaritra. Nifanandrify tamin’io fikasan-dratsy […]