Lehilahy iray 18 taona no nahavanon-doza namono nahafaty ilay renim-pianakaviana (72 taona) iray tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, ny 7 oktobra teo. Tsy namaly arahaba ny anton’ny famonoana. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II, Vontovorona, afakomaly, ny olona telo mianaka. Nahitana renim-pianakaviana iray (54 taona), mpamboly sy ny zanany […]
Taratra
Jeneraly Zafisambo Ruphin : “Ara-dalàna ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana”
“Araka ny tokony ho izy ny fitadiavana Praiminisitry ny maramaritra iraisana”, hoy ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, teny Ambohidahy, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fanendrena izay ho Praiminisitra vaovao. Ho marimaritra iraisana mivelatra, ka hanontaniana na ny filoha teo aloha na ny filoham-panjakana amin’izao. Tokony hisy ny […]
Filoham-panjakana : « Teneno izahay raha misy tsy mety ny ataonay »
Notanterahina omaly, ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny filoha vaovao eo anivon’ny FJKM, Andriamampianina Zaka Hary Masy. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael. Nambarany tamin’ny lahateniny fa efa nijoro hatrany ho an’ny vahoaka malagasy ny FJKM. Koa, mangataka amin’izy ireo ny tenany mba hijoro hatrany sy hitsangana araka izay asa napetrak’i […]
Depiote Razafimanantsoa Hanitra: «Tsy nisy fanonganam-panjakana teto»
“Tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa tsy nisy fanafihana mitam-basy tany amin’ny lapam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra tamin’ny famaranana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, afakomaly. Ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no entina miady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nisy fanonganam-panjakana teto. Fizahana […]
Kianjan’ny 13 mey : Niantso fahamailoana ireo nandaha-teny
« Misy andrimaso tsy maintsy ataontsika, indrindra ny resa-bola miparitaka any ka samia mailo. Tsy mbola vita ny tolona », hoy ny depiote « Del kely ». Nateriny koa fa efa mipetraka ny stratejia eny anivon’ny Antenimierampirenena, manoloana ireny fifidianana ny eo anivon’ny birao maharitra ireny. Nohamafisin’ny depiote, Razafimanantsoa Hanitra, koa fa hoesorina ireo […]




