Teny malaza amin’izao, ny fiovana sy fanovana. Tsy eo amin’ny fiainam-pirenena ihany fa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena dia samy andrenesana fanovana sy fiovana. Mitaky izany avokoa amin’izao fotoana izao, ireo mpisehatra ao anatin’ny taranja isanisany eto Madagasikara. Hahenoana izany ary tena misongadina ireo taranja telo miavaka sy mankarary ny Malagasy […]
Taratra
Tenisy ambony latabatra : Tafita hiatrika ny « Mondial » any Londres ny Malagasy
Niasa mangina ary niezaka nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo Malagasy mpilalao ping pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Tunis. Anisan’ireo mankany Londres izy ireo, ary miatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena, ny taona 2026. “Mitohy ny sidina” ! Tafakatra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Londres, […]
Baolina kitra: Mifanenjana ny K2HB sy ny mpanohana ny federasionina
Misavorovoro sy misamboaravoara amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny baolina kitra. Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny federasionina sy ireo mpilalao fahiny ary ireo mpitantana mivondrona ao anatin’ny komity hanarina ny hasin’ny baolina kitra malagasy (K2HB). Ity farany, izay mitaky ny fametraham-pialana faobe ho an’ny FMF. Tsy miafina amin’ny rehetra intsony fa […]
TARATRY ny KANTO
Manana ny maha izy azy ny raokandro. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola mahazo vahana loatra ao amin’ny fiarahamonina malagasy izy io. Anisan’ny antony nahatonga izany ny fanabeazana. Mbola maro amin’ireo heverina ho raiamandreny no tsy mbola manaiky ny fampiasana azy ity. Mety noho ny fitaizana azon-dry zareo. Mety ho tontolon’ny finoana […]
Kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly : Hamaly ny hetahetan’ny mpitia kanto i Salomon
Ny 27 septambra no tokony ho nanatontosana ny seho. Noho ny zava-nisy teto amin’ ny firenena, nahemotra amin’ ny 25 oktobra, amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Restaurant Ny Railovy Andohan’Analakely ilay fihaonan’i Salomon amin’ny mpitia zavakanto. Hihira ireo hira nahafantarana azy i Salomon. Hanakoako sy hitondra tamberina sy tsiahy, […]




