Taratra

Riders Scoot community : Nanao diabe «Fanovana ho an’ny kodiarandroa»

Satria manana tanjona hitondra fanovana ny hetsi-bahoaka natao, nanatontosa diabe « Fanovana ho an’ny kodiarandroa » ireo mpitondra kodiarandroa eto Antanana­rivo mivondrona ao amin’ny Riders Scoot community, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Makis Andohatape­naka. Nanao fitakiana mahakasika ny fiantohana sy ny Centre d’Immatriculation de Madagascar ary ny minisite­ran’ny Fitaterana izay miahy […]

Clinique Ave Maria: 90 taona nitsaboana ny vahoaka

Hopitaly iray anisan’ny goavana sahanin’ny finoana katolika ny clinique Ave Maria Antsirabe. 90 taona nikarakarana ny lafiny fahasalamana ho an’ny vahoaka maro ity tobim-pahasalamana ity, ankehitriny. Nisy ny fankalazana izany taon-jobily izany. Maro ny tolotra ara-pahasalamana omen’ny hopitaly Ave Maria ary efa manana hatramin’ny fanaovana fitarafana avo lenta “scanner” izy, […]

Kitra any ivelany: Mamiratra ny ekipan-dry Ronaldo

Nahita fahombiazana tsara ny ekipan’ny Al Nassr FC, nandritra ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Arabia Saodita, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo tamin’ny isa, 5 no ho 1, ny Al Fateh, fihaonana izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Al-Awwal Park. Namiratra tanteraka tamin’ity fifanandrinana ity, ny […]

Fankasitrahana ny Chan 2024: Nahena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea

Nambaran’ny Filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, (FMF), Randria­manampisoa Alfred, ny afakomaly teo, tetsy Anosy, fa na­hena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea, tamin’ny Chan. Raha ny fanazavany, nahenan’ny Caf ilay vola 1,2 tapitrisa dolara noho ny resaka “droit TV” sy ny volan’ ny hotely fampiantranoina ny Barea. “Notsiahiviny fa […]